- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Népal : Krizin'ny Angovo

Sokajy: Nepal, Mediam-bahoaka, Politika, Tontolo_iainana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Lohahevitra resahana manerantany ny fitsitsiana angovo sy ny fitadiavana loharanon'angovo tsy manimba ny tontolo iainana. Ho an'ny firenena mandroso sy ny an-dalampandrosoana, iray amin'ireo olana lehibe ny angovo. Resahana ankehitriny any Washington ka hatrany Riyadh ny tahotry ny tsy fahampian'ny angovo amin'ny hoavy.

Nanjary tena zava-misy any Nepal, iray amin'ireo firenena mahantra indrindra eran-tany, izay tsy maintsy miatrika krizy lalina momba ny angovo ity ho avy natahorana ity. Nanambara “krizin'ny herinaratra manerana ny firenena” ny governemanta, ary mety hiatrika fahatapahan-jiro mandritra ny 16 ora isan'andro ny firenena.

Araka ny tatitra [1] navoakan'ny AFP tamin'ny 27 Desambra 2008, nanambara ny minisitry ny rano fa:

“Nous n'avons pas eu d'autre choix que de déclarer une crise nationale de l'électricité, car il y a un manque important d'électricité”.

“Tsy manan-tsafidy ankoatra ny fanambarana krizin'ny herinaratra manerana ny firenena izahay, satria misy ny tsy fahampiana goavana amin'ny herinaratra”.

Na dia maharitra ela be aza ny fahatapahan'ny herinaratra farany, miatrika tsy fahampian'ny famatsiana herinaratra efa nandritra ny taona maro i Nepal. Tsaroako fony aho mpianatra tany Kathmandu, tamin'ny faramparan'ny taona 1990, nanao entimody tamin'ny alalan'ny labozia aho. Nandritra ny hain-tany tamin'ny ririnina, nahazatra ny fahatapahan-jiro.

Mampahafantatra ny fahatezerany, nateraky ny fahatapahan-jiro sy ny voka-dratsiny eo amin'ny toekarena efa marefo ao Nepal ireo mponina ao an-drenivohitra, Kathmandu, izay ifantohan'ny ankamaroan'ny asa ao amin'ny firenena.

Maneho ny ahiahin'ny olom-pirenena tsotra momba ny krizin'ny herinaratra ny fanehoan-kevitr'i Ujwal tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny  NowPublic [2]:

Il est à présent presque impossible de faire fonctionner toute activité de service utilisant l'électricité à Katmandou. Je prévois une grande agitation dans les jours à venir. Je crains que l'économie du pays ne s'effondre si cela s'ajoute à la chute des envois d'argent au pays par les travailleurs émigrés, qui dépendent de la prospérité économique du Moyen-Orient…

Mila ho sarotra be ankehitriny ny mampandeha ny asa rehetra mila herinaratra ao Kathmandu. Hitako sahady ny fanelingelenana mandritra ny andro ho avy. Matahotra aho fa hirodana ny toekarena ao amin'ny firenena raha miampy ny firodanan'ny fandefasana famatsiam-bola ho an'ny toekarena, izay miankina amin'ny firoboroboan'ny toekaren'ny Afovoany-Atsinanana.

Tempoly Nepaley mirehitra labozia, sary avy amin'i Ron Layters  [3]tao amin'ny Flickr, zon'ny mpamorona: Creative Commons

Miezaka mitady hevitra hiatrehana ity toe-draharaha ity ny governemanta Maoista Nepaley, saingy toa voafetra ihany sy tara loatra ny fanapahan-kevitra sasany. Ohatra, mandràra ny fampiasana herinaratra amin'ny takelabin-dokambarotra.

Chandan Sapkota [4] mitanisa ireo fepetra hafa nambaran'ny governemanta:

Le gouvernement a encouragé l'emploi de lampes compactes fluorescentes. Il a aussi subventionné l'importation de ces lampes, il a lancé la production de 200 MW d'électricité par des centrales thermiques, et il essaie d'importer de l'électricité depuis l'Inde… Pourquoi si tard ? Pourquoi nos dirigeants n'ont-ils pas tenu compte plus tôt de cette crise imminente ? La corruption ? Le manque de dirigeants visionnaires ?

Nandrisika ny fampiasana jiro mitsitsy ny governemanta. Namatsy vola tamin'ny fanafarana ireo jiro ireo ihany koa izy, ary nanomboka tamin'ny famokarana herinaratra 200 MW tamin'ny alalan'ny herinaratra mandeha amin'ny rano, ary miezaka manafatra herinaratra avy any India izy … Fa maninona no tara? Nahoana no tsy nodinihan'ireo mpitarika antsika mialoha ity krizy antomotra ity? Kolikoly? Ny tsy fisian'ny mpitarika mitsinjo lavitra?

Niteraka fahalianana lehibe tao Nepal ny fananganana orinasa mpamokatra herinaratra amin'ny alalan'ny rano ho toy ny loharanon'ny herinaratra, satria efa nahazatra fahiny ny herinaratra mandeha amin'ny rano.

Manahy momba ny tetikasan'ny governemanta ilay bilaogera Utsav Maden [5] :

Des investissements qui seraient de 9,6 milliards de roupies népalaises [88 millions d'euros] ou plus, dans une technologie qui est critiquée pour ses effets sur le réchauffement de la planète, entre autres, par un gouvernement étranglé financièrement, cela semble vraiment peu ordinaire. Des écologistes qui défendent ce projet malgré l'avis opposé d'experts en énergie et de l'administration chargée de la distribution de l'électricité, voilà de quoi s'interroger sur leurs motivations.

Toa hafahafa ny fampiasam-bola voalaza fa mitentina 9,6 miliara ropia Nepaley [88 tapitrisa euro] na mihoatra izay ho ampiasain'ny governemanta kenda ara-bola, amin'ny teknolojia izay voatsikera noho ny fiantraikany amin'ny fiakaran'ny maripàna manerantany. Mampanontany tena ny antony mahatonga ireo mpiaro ny tontolo iainana miaro ity tetikasa ity na dia eo aza ny hevitra mitsipaka avy amin'ireo manam-pahaizana momba ny angovo sy ny fitantanana miandraikitra ny fitsinjarana herinaratra.

Raha misy ny adihevitra momba ny fomba vaovao hamokarana herinaratra sy ny antony mahatonga an'i Nepal tsy ho ampy herinaratra, manahy mikasika ny voka-dratsin'ny fahatapahan'herinaratra eo amin'ireo tena marefo ny sasany. Araka ny nolazain'i Sangeeta Rijal [6] tao amin'ny My Republica, misy fiantraikany amin'ny  asa fitsaboana lehibe ny tsy fahampian'ny herinaratra:

L'Hôpital Capitale, dans le quartier de Putalisadak (à Katmandou) connaît également de sérieuses difficultés. Prakash Adhikari, le directeur de l'hôpital, a déclaré qu'il utilisait un groupe électrogène, mais qu'il ne parvenait pas à produire assez d'électricité pour faire fonctionner tout son équipement, comme les appareils de radiographie. Ces appareils ont besoin d'environ 250 kiloVolts (kV). Le groupe électrogène ne peut délivrer cette tension.

Miaina zava-tsarotra ihany koa ny Hopitaly Renivohitra, ao amin'ny faritra Putalisadak (Kathmandu). Nilaza i Prakash Adhikari, talen'ny hopitaly, fa nampiasa “groupe électrogène” izy saingy tsy nahavita namokatra herinaratra ampy ho an'ny fitaovana rehetra, toy ny fitaovana “radiografia” izany. Mila 250 kiloVolts (kV) ireo fitaovana ireo. Tsy afaka manome izany filàna izany  ny gropy elektrozenina.