Mitady Mangarahara Ara-politika i Shily

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny herinandro lasa teo, nanapa-kevitra hampiato ny firaisan'ny antokony amin'ny PPD i Fernando Flores (ES), Senatera avy amin'ny fiaraha-mitantana ankavia, noho ny resaka kolikolin'ireo senatera hafa avy ao amin'ny fiaraha-mitantana ihany.

Ny herinandro talohan'io, nampidirin'ny fampilaharana manerantany momba ny mangarahara ho laharana faha-20 i Shily ary voalohany amin'ny mangarahara ao Amerika Latina.

Miresaka momba ny toerana misy ny fiaraha-mitantana, Rodrigo nanoratra hoe:

Vemos acciones de defensa corporativa, aparecen comisiones secretas que ya no lo son  y otras rebeliones senatoriales, como la Renuncia y declaraciones del Senador Flores al PPD – pandilleros y camorra – y sus consecuencias posteriores, para luego callar. Nadie podría aceptar a políticos electos con  dineros del Estado y menos aún si con dineros públicos se llega al gobierno por medio de la intervención electoral directa o indirecta.. Ese es el gran dilema actual”.

Mahita hetsika fiarovan-tena anaty fikambanana isika, komity miafina izay tsy miafina intsony ary ny fikomian'ny senatera hafa, tahaka ny fialàn'ny Senatera Flores tao amin'ny PPD -fikambanan-jiolahy sy mpanakorontana tanteraka – sy ny voka-dratsiny, izay nampanginina taty aoriana. Tsy misy afaka manaiky mpanao politika voafidy amin'ny volan'ny governemanta, ary indrindra raha mahatratra ny governemanta amin'ny alàlan'ny fidirana an-tsehatra mivantana na tsy mivantana amin'ny fifidianana izany volam-bahoaka izany. Izany no olana lehibe ankehitriny.

Esteban Valenzuela (ES) manome antsika ny fomba nitrangan'ireo hetsika ireo, navoaka tao amin'ny El Rancahuaso:

La crisis de estos días tiene dos raíces; el decaimiento de la ética personal que nos puede llevar a malas prácticas cuando la ansiedad de tener y poder nos lleva a perder el sentido de lo correcto y lo justo; y también la permanencia en Chile de un sistema muy centralizado de control político y asignaciones con discrecionalidad, que permiten redes de cooptación política, aprovechamiento de privados y empresas o abusos de funcionarios”.

Misy fakany roa ny krizy ankehitriny; ny fihenan'ny fahaiza-mitondra tena manokana, izay mety hitondra antsika amin'ny fanao ratsy rehefa tsy mahafantatra intsony ny dikan'ny marina sy ny mahitsy isika noho ny tebiteby te hanana fahefana; sy ny fitohizan'ny fanangonam-pifehezana ara-politika sy ny fanendrem-pahefana fahatany ary ny fanararaotan'ny mpiasam-panjakana sy ny orinasa tsy miankina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.