- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Andiana Tanora Kolombiàna Mpanohitra Raharaha Miaramila, Mankalaza Ny 10 Taona Nanoherana.

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Ady & Fifandirana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mozika, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina

Antimili Sonoro flyer(Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny volana May 2008)

Ny 17 May lasa teo no nanamarihana ny tsingerintaona faha-folon'ny Antimili sonoro [1] [es], hetsika iray nokarakarain'ny tambajotra Youth Network mba hanaparitahana amin'ny alalan'ny mozika ho amin'izao tontolo izao mikasika ny fanoherana ny tsy maintsy hanaovana raharaha miaramila. Nankalazaina tamin'ny alalan'ny lanonana ny daty, ary fivoriana maro no nokarakaraina nandritra ny volana May manontolo, resadresaka sy diabe fankalazana ny faha-folo taonan'ny hetsika Tsy fankatoavana sy fanoherana sivily nataon'ilay fikambanana tanora. Mampiseho fanasàna ho amin'ireo hetsika, ireo rakitsary fampahafantarana sy lahatsary fohy iray avy amin'ny iray amin'ireo tarika ska niaka-tsehatra tamin'ilay kaonseritra.

Nankalaza ny fetibe fanoherany ny tafika ny Youth Network nandritra ny andro iraisam-pirenena nanindrahindrana ny Fanoherana amin'ny Fahatsiarovantena, fomba iray hahafahana miala ny raharaha miaramila an-tery [es] [2], tamin'ny alalan'ny fanazavàna ara-maoraly fa finoana ananan'ny tsirairay ny hoe ratsy ny mamono olona iray, na ao anatin'ny miaramila aza. Misy ireo fijoroana vavolombelona nataon'ireo tanora izay niala, araka ny hita ao anatin’ity fijoroana vavolombelona nosoratan'i Gustavo Monroy ity [3][es], nampidirina tsy noho ny sitrapony ary taty aoriana dia nahilik'ireo namana sy ireo havany noho ny fandàvana tsy hanao ny raharaha miaramila. Hazavain'ilay andiana mpanohitra tafika ireo tanjony sy finoany, ao anatin'ity lahatsoratra ity amin'ny fiteny anglisy [4] hita ao amin'ny vohikalan'izy ireo  myspace [5].

Voalohany, ny fanasàna ho amin'ny lanonana amin'ity taona ity, [6] nasiana dika amin'ny fiteny anglisy:

Fanentanana iray miely be eo amin'ny YouTube mba hampahafantarana ny hetsika

Farany, avy any amin'ilay lanonana, ao anaty lahatsary iray ratsy kalitao nalaina tamin'ny finday misy ny fampisehoana, hirain'ny Ron Daymon ska band [7] ilay hira The Neighbor . Etsy ange, raha tianao io, angamba mety azonao arahina mihitsy ny rohy teo aloha ao anatin'ny fifaninanana télé-réalité ho an'ny MTV Amerika Latina ary arotsahy ho azy ireo ny vatonao!

Fampahatsiahivana malaky iray monja hoe ireo sy ny lahatsary maro hafa an'ny median'ireo olom-pirenena naseho tao amin'ny Global Voices dia azonao jerena ao anatin'ny fantsona misy ny lahatsarinay amin'ny YouTube [8]. Aza miahotra mampandre anay mba handefa ny lahatsarin'olontsotra avy aminareo na, manorata fohy amiko manome ny rohy misy ilay lahatsary sy fehezanteny fohy iray manazava tsotsotra hoe nahoana ianao no mino fa hahita zavatra izay ilaina hamafisana amin'ny alàlan'ny vohikalanay. Misaotra!