Nandrara Ny Lahatsary Fanadihadiana Momba Ny Tanora Mpikatroka Palestiniana Noho Ny ‘Fitantarana Mitongilana’ Ireo Manampahefana Ao Singapaoro

Navoaka tamin'ny taona 2016 ny fanadihadiana ‘Ny Famirapiratan'ny Fanoherana’. Sary avy ao amin'ny pejy Facebook-n'ny fanadihadiana

Noraran'ny governemanta Singaporeana ny fanadihadiana iray izay nifantoka tamin'ny fiainan'ireo tanora mpikatroka roa avy any Palestina noho ny fitrandrahana ny ady nisy teo amin'ny Palestiniana sy ny Isiraeliana “tsy nisy fandanjalanjana.”

Nivoaka tamin'ny taona 2016 ny “Radiance of Resistance” (Ny Famirapiratan'ny Fifaharana) izay novokarin'ny mpanatontosa sarimihetsika Amerikana Jesse Roberts. Fantatra fa nokasaina ho alefa tao amin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika Palestiniana ao Singapaoro nandritra ny herinandro voalohan'ny volana Janoary 2018 izany, saingy nesorina taorian'ny filazan'ny Manampahefana misahana ny Seraseran'ny Fampahalalam-baovao (IMDA) ho toy ny “voarara amin'ny sokajy rehetra”.

Araka ny voalazan'ny famintinana,  milaza ny tantaran'i Ahed al-Tamimi, 14 taona, sy ilay namany 9 taona Janna Ayyad ilay fanadihadiana:

This film will take an intimate look at their everyday lives and their importance as the new generation of Palestinian non-violent resistance.

Mampiseho akaiky ny fiainan'izy ireo amin'ny andavanandro sy ny maha-zava-dehibe ny maha-taranaka vaovaon'ny fifaharana Palestiniana tsy misy herisetra ity sarimihetsika ity.

Nasongadina tao amin'ny vaovao tamin'ny volana Desambra 2017 i Tamimi taorian'ny nanamelohana azy ho namelaka miaramila Israeliana iray.  Tratra tao amin'ny lahatsary ity fihetsika ity ary vetivety dia niparitaka. Mbola miantona ilay raharaha momba azy amin'izao fotoana..

Tsy fantatra raha toa ka avy amin'ity raharaha nalaza be tamin'ny fampitam-baovao ity no nahatonga ny fanapahan-kevitry ny IMDA , saingy ny fanambaràny izay nanazava ny fanapahan-kevitra tamin'ny fandrarana ilay fanadihadiana dia nanasongadina ny “fitantarana mitongilana” tao amin'ilay lahatsary:

The skewed narrative of the film is inflammatory and has the potential to cause disharmony amongst the different races and religions in Singapore […]

In holding up the girls as role models to be emulated in an ongoing conflict, the film incites activists to continue their resistance against the alleged oppressors.

Mifono fandrangitana ary mety hampisy disadisa eo amin'ireo foko sy fivavahana samihafa any Singapaoro ny fitantarana mitongilana tao amin'ny sarimihetsika […]

Amin'ny fanohanana ireo tovovavy ireo ho toy ny maodely tsara halai-tahaka ao anatin'ny fifandonana mitohy, manentana ireo mpikatroka hanohy ny fanoherany amin'ireo lazaina fa mpanao tsindrihazolena ny horonantsary.

Manana fifandraisana tsara i Singapaoro sy i Israely. Mandritra izany fotoana izany, manana fifandraisana am-pirahalahiana miaraka amin'ny Manampahefana Nasionaly Palestiniana i Singapaoro. Tamin'ny taona 2017, nilaza ny praiminisitra Singapaoreana Lee Hsien Loong fa “olana mampihetsim-po” ny fifandonana Israeliana-Palestiniana indrindra ho an'ny Miozolomana. Nanamarika izy fa manana mponina Miozolomana maro ireo mpifanolo-bodirindrina amin'i Singapaoro ao amin'ny faritra Azia Atsimo-Atsinanana ary manana Miozolomana marobe ihany koa ny firenena. Ny fananganana fiarahamonina manana foko mirindra maromaro no iray amin'ireo fitsipika fototra napetrak'i Singapaoro .

Pikantsary tao amin'ny tranonkala mampiseho ny fandefasana ilay fanadihadiana nofoanana ”Ny Famirapiratan'ny Fifaharana”

Ao amin'ny pejiny Facebook, namaritra ny fanapahan-kevitry ny governemanta ho toy ny sivana ireo mpanatontosa ny “Ny Famirapiratan'ny Fifaharana” :

This is the kind of blatant censorship that we face in making films that lift the Palestinian voice and that Palestinian media faces in general.

Ity no karazana sivana mibaribary izay atrehantsika amin'ny fanatontosana horonantsary manandratra ny feon'ny Palestiniana sy atrehan'ny tontolon'ny fampitam-baovao Palestiniana amin'ny ankapobeny.

Nanohitra ny fanehoan-kevitry ny IMDA ilay mpanakanto Singapaoreana Alfian Sa'at :

There is no such thing as a purely objective documentary. They all come with a point of view, with a position, they are all subjective to various degrees. And actually I would rather have a documentary that is quite obviously subjective–polemical, or participatory–than one where its ideological slant is disguised under a veneer of objectivity.

And did you even consider that this documentary, ‘Radiance of Resistance’, exists to provide a balance, a corrective to the kinds of propaganda that Israel state television and the US-centric media produce about the Palestinians?

Tsy misy izany fanadihadiana tena tsy momba ny atsy sy ny aroa izany. Izy rehetra dia samy manana fomba fijery, miaraka amin'ny safidiny manokana,  samy manana hevitra manokana amin'ny ambaratonga samihafa ihany koa. Ary raha ny marina, aleoko kokoa ny fanadihadiana somary hita kokoa fa manan-kevitra manokana-mifanohitra-na azo handraisana anjara-fa tsy ilay ahitana fironana ideolojika izay mody hoe tsy momba ny atsy sy ny aroa .

Ary efa nieritreritra ve ianao fa natao ity fanadihadiana ity, ‘Ny Famirapiratan'ny Fifaharana’, mba hanomezana fandanjalanjana, fanitsiana ny karazana fampielezan-kevitra izay vokarin'ny fahitalavitra Israeliana sy ny fampitam-baovao mitodika manokana amin'ny Amerikana momba ny Palestiniana?

Nilaza ireo mpikarakara ny fetiben'ny sarimihetsika fa diso fanantenana izy ireo tamin'ny fandraran'ny IMDA ny fandefasana ho an'ny daholobe ilay horonantsary fanadihadiana, saingy nanapa-kevitra ny tsy hanao fangatahana izy ireo noho ny tsy fisian'ny fotoana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.