Espaina: Ny Fampianarana Sarimihetsika  Tsy Misy Fakantsary Ho An'ny Ankizy

(Marihina fa tamin'ny 10 Janoary 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

marqueur sur film

marika amin'ny filma

Ampianarina mamokatra horonantsary tsy misy fampiasana fakantsary ny ankizy ao Valladolid, Espaina. Ireto ny sasany tamin'ireo horonantsary mampiseho ny fomba sy ny famokarana farany ireo atrikasa ireo.

Ny Asociación Espacio Rojo (Fikambanana Tahala Mena) no mpikarakara ny atrikasa, ary toy izao ny fanehoany ny fomba fijeriny:

Actualmente, Estamos realizando el Taller ‘Mi primera película’ que es un taller práctico de cine sin cámara. Este taller presenta la forma de hacer cine, películas sin cámaras usando técnicas y soporte cinematográfico como medio de expresión.

Mikarakara ny atrikasa “Ny sarimihetsiko voalohany” izahay amin'izao fotoana izao, atrikasa iray hianarana momba ny famokarana sarimihetsika tsy mampiasa fakantsary. Maneho ny fizotran'ny famokarana sarimihetsika amin'ny pellicule tsy mampiasa fakantsary ity atrikasa ity, ary mampiasa teknika sy fitaovana samihafa mba ho fomba hanehoan-kevitra.

Ity ambany ity ny lahatsary ahitana ny sarimihetsika voalohany nataon'ny ankizy:

(Fanamarihan'ny tonia: Ataovy dika-petaka amin'ny hihy vaovao ireo rohin'ny filma ireo raha te-hahita azy ireo tokoa ianao)

http://vimeo.com/moogaloop.swf?clip_id=7308756

Tao amin'ny atrikasa farany, izay natao tamin'ny 27 Desambra 2009, nandoko ny horonantsary 16mm ny ankizy: natambatra avokoa ny horonan'izy rehetra nony avy eo . Ao amin'ity lahatsary ity no ahitanao azy ireo miasa sy ankafizanao ireo milina ampiasaina mba hanambarana ny sarimihetsika:

http://vimeo.com/moogaloop.swf?clip_id=8505583

Ao anatin'ity lahatsary manaraka ity, ankoatra ny dingana famokarana, dia ho hitanao ireo ankizy mankafy ny sarimihetsiny voalohany mandritra ny fandefasana izany:

http://vimeo.com/moogaloop.swf?clip_id=8366446

Hahita horonantsary maromaro mampiseho ny andrana nataon'ireo ankizy tamin'ny famokarana sarimihetsika sy ireo atrikasa amin'izao fotoana izao ianao ao amin'ny kaonty vimeo an'ny Fikambanana Tahala Mena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.