- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hevitra Shiliana 2006

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Mediam-bahoaka, Politika

(Marihana fa tamin'ny volana Janoary taona 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Namintina izay tsara sy ny ratsy tamin'ny taona 2006 ireo bilaogera Shiliana.

El observatorio politico [ES] [1] namaritra ny enina tamin'ireo olana lehibe izay mbola tsy voavaha: ny kolikoly eo amin'ny antoko ankavia, ny tsy fahombiazan'ny ady amin'ny fandikan-dalàna, ny krizy lalina eo amin'ny rafi-pampianaranay, ny fitomboana marefo ara-toekarena na dia eo aza ny fepetra tsara, ny rafi-pitsaràna midorororo, ary ny fahasimban'ny ivon-toerana mpandrindra ny varahina Codelco.

Tondroin'ny “krizy lalina” ny hetsi-panoheran'ny mpianatra natao tao Santiago [2] tamin'ny volana Mey sy Jona lasa teo sy nokarakaraina tamin'ny fampiasana fitaovana antserasera.

Mikasika ny fomba fiainan'ny Shiliana, Manuel Rodriguez [3] (ES) nanoratra momba ny “famintinana hafa ny taona 2006″ izay nanazavany fa “mijaly” ny iray ampahaefatr'ireo sarangan'ny mpiasa satria nidi-trosa.

La angustia que provoca una deuda pendiente es relevante si se toma en cuenta que el 80% de los trabajadores realizan compras a crédito y, según la Superintendencia de Bancos e Instituciones Financieras (SBIF), cada chileno debe en promedio 7,5 meses de sueldo sólo en créditos de consumo.”

Goavana ny tebiteby vokatry ny trosa tsy voaloa raha mieritreritra izahay fa ny 80% -n'ireo mpiasa dia mitrosa rehefa mividy zavatra. Ary, araka ny filazan'ny Biraon'ny Banky sy ny Fitantanam-bola (SBIF), manan-trosa haloa amin'ny 7 volana sy tapan'ny karama ny Shiliana tsirairay, noho ny fividianana entana fotsiny.

Nandefa rohy misy ny lahatsoratry ny BBC mitodika amin'ny fitomboana goavana ara-toekarena ao Amerika Latina sy Karaiba [4] ny Senatera Fernando Flores. Ny bilaogy momba ny Teknolojia, FayerWayer, kosa nijery ny Google momba ny teny malaza be mpitady indrindra tamin'ny taona 2006, ary nanatsoaka hevitra fa taonan'ny tambajotra sosialy sy fiarahamiasa antserasera tokoa izany [5]. Ary ho anareo izay mitady faraveloma manokana kokoa ny taona 2006, nanangona rohy mahasoa  [6]ho an'ny famintinana, fanamarinana sy faminaniana avy amin'ireo bilaogera namana Shiliana i Marcelo Aliaga.