Volamenan'i Pinochet: Lasan'ny Rivotra

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny herinandro lasa teo, nahatonga ny bilaogera hanoratra ny vaovao mikasika ny fampiasam-bolan'ny Pinochet amin'ny volamena, tsy ireo bilaogera avy any Shily ihany no nanoratra, fa avy amin'izao tontolo izao koa.

Carololine (ES) namoaka ny tena zava-misy momba ity fivoarana ity, sy ny fihovotrovotry ny vaovao:

Este “peso en oro” supera los cien millones de dólares, son más de más de mil lingotes de oro los que brillan en nombre de Pinochet .El Consejo de Defensa del Estado (CDE) presentó ayer un escrito para que el ministro a cargo pueda decretar medidas cautelares sobre estos bienes.
A partir de ahora Pinochet entró en la categoría de los grandes dictadores que lavaron fortunas a nivel mundial.

Ity “lanja amin'ny volamena” ity dia maherin'ny 100 tapitrisa dolara Amerikana. Misy bolongam-bolamena mihoatra ny 1000 izay mamirapiratra amin'ny anaran'i Pinochet. Nanolotra taratasy ho an'ny minisitra ny Filan-kevitry ny Fiarovam-pirenena, mitaky fitadiavam-bahaolana momba ity fananana ity.

Benjamin (ES), mpianatra avy amin'ny elatra havanana namoaka fifanakalozan-kevitra an'eritreritra momba ny lohahevitra. Hoy izy nanomboka:

El oro de Pinochet ya existe, aunque no esté en ninguna parte. Ya la noticia dio la vuelta al mundo.

“Misy ny volamenan'i Pinochet, na dia tsy misy mahalala aza hoe aiza. Efa nivoaka manerana izao tontolo izao ny vaovao. “

Mbola manohy manazava izy fa tsy misy ny kaontin'ny banky 27 tapitrisa dolara amerikana, nomena an'i Pinochet; 8 tapitrisa dolara amerikana fotsiny izany, saingy tsy nisy nanazava ny vaovao.

Manahy ny olon-kafa fa misy ifandraisany kokoa amin'ny kabary ara-politika ity tantara ity, araka ny fanazavan'i Sebastian (ES) :

Muchas veces nos hacen creer que la verdad siempre es la que prevalece antes que todo, sin embargo, las situaciones son controladas por estrategias comunicacionales, con esto quiero referirme al caso chile-deportes, los hechos concretos son claros; irregularidad en los dineros asignados para la institución. Donde figuran asignaciones a políticos esencialmente de la bancada de concertación, cuando este escándalo se hizo público, se publico una supuesta cuenta en lingotes de oro por parte del señor Pinochet, información que supuestamente fue entregada al canciller, lo cual es totalmente falso…

Imbetsaka izy ireo no nampino anay fa manjaka foana mihoatra ny zava-drehetra ny marina, na dia voafehin'ny fifandraisana ara-stratejika aza ny toe-draharaha. Miresaka momba ny raharaha Sports-Chile aho amin'izany: mazava ny zava-misy, tsy ara-dalàna ny vola natolotra ho an'ny andrim-panjakana. Natao ho an'ny politikan'ny marimaritra iraisana izany ary rehefa navoaka ampahibemaso ny tantara ratsy, namoaka ny kaonty volamena an'i Pinochet izy ireo- fampahalalam-baovao nomena ny “chancelier”, izay tena diso tanteraka. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.