- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Nankatoavin'ny Antenimiera Ny Fanalan-jaza Ao Shily

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Fahasalamàna, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tamin'ireo vato 61 manohana, nanapa-kevitra tsy hankatoa ny fanalàn-jaza ny antenimieram-pirenena ao amin'ny kongresy Shiliana ary nanambara azy io ho “tsy azo ekena”. Ny vato 21 kosa dia manohitra ary ny 3 tsy nanan-kevitra.

Quemarlasnaves [1] (ES) nanoratra momba ny hevitra demaokratika izay nahakasika ny fanapahan-kevitra:

La decisión del Presidente de la Cámara, respaldada por la mayoría de los miembros de esta última, no posee justificación constitucional y constituye un precedente que puede ser en extremo perjudicial para la práctica democrática.

Ny fanapahan-kevitry ny filohan'ny antenimiera, miaraka amin'ny fanohanan'ny ankamaroan'ny mpikambana, dia tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ary maneho ohatra ratsy izay mety hanimba tanteraka ny fomba amam-panao demaokratika.

Mitohy ny taratasy ary any amin'ny farany, manoratra ny fomba fijerin'izy ireo ara-pitsarana momba ny toe-draharaha izy ireo:

Por último, con esta declaración se oculta a la opinión pública la verdadera razón de la decisión. La verdadera razón es política: existe una mayoría de los actuales diputados que están contra la despenalización del aborto. El intentar pasar una decisión política como una decisión jurídica es en definitiva un acto de deshonestidad hacia los ciudadanos.

Ny zavatra farany, amin'ity fanambarana ity, dia afenina amin'ny vahoaka ny tena antony mahatonga ny fanapahan-kevitra. Ara-pollitika ny antony marina: manohitra ny tsy fanamelohana ny fanalàn-jaza ny ankamaroan'ny solombavambahoaka ankehitriny. Miezaka mandany fanapahan-kevitra ara-politika ho ara-dalàna izy ireo.

“Izao tontolo izao araka an'i Leal” no lohateny nosafidian'i  Rodrigo [2] (ES) mba hanehoany ny tsy fitovian-keviny. Antonio Leal [3] (ES) no filohan'ny antenimieram-pirenena. Nanohy nanazava izy hoe:

No estoy a favor del aborto, sin embargo, también estoy en contra de que no podamos debatir temas, que no se nos permita hablar de ciertas cosas, porque no estamos preparados, porque no es el momento, etc.”

Tsy manohana ny fanalan-jaza aho, kanefa, manohitra ny tsy fahafahana miady hevitra momba izany ihany koa, ka tsy mba afaka niresaka zavatra sasantsasany isika, satria tsy vonona isika, satria tsy fotoanany izao sns.

Mikasika ny fanaintainana nateraky ny adihevitra, Pablo [2] (ES) nanoratra hoe:

El dolor de ver partir una buena idea al tarro de las basuras es indescriptible. Iba a mencionar algo relacionado con el aborto, pero un inesperado y definitivamente reciente sentido de la ubicación me lo impidió. Pero sin embargo duele. Esperamos recuperarnos”.

Tsy azo ekena ny hirifiry mahita zavatra manomboka toy ny hevitra tsara mankany anaty fanariam-pako. Handeha hilaza zavatra mikasika ny fanalan-jaza aho, saingy nanelingelina ahy ny fahatsapana tsy nampoizina sy vao haingana indrindra mikasika ny fomba fijery. Mbola mandratra izany. Manantena aho fa sitrana isika.