Tonizia: Bilaogera Ary Gadra Politika Taloha Notendrena Ho Minisitra

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2011)

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Tunisia Revolution 2011 ity lahatsoratra ity.

Toy ny mitondra fatra tsy hita fetra amin'ny zavatra tsy ampoizina isanandro ny revolisiona Tonizianina. Omaly, nambaran'ny Praiministra Tonizianina, Mohamed Ghannouchi, ny fananganana governemanta vonjimaikan'ny firaisam-pirenena . Hita ao anatin'ilay governemanta tetezamita ireo mpikambana avy amin'ny fanoherana ary koa ireo endrika efa fantatra fahiny tao amin'ny fitndràna. Mijanona ho eny an-tanan'ireo minisitra izay niasa teo ambanin'i Filoha Zine El Abidine ny ministera fanalahidy sasany, ao anatin'izay ny Raharahambahiny, ny Atitany, Fiarovana ary Fitatanambola. Fa ny fanambaran'i Slim Amamou, bilaogera, mpikatroka ary mpiara-miasa amin'ny Global Voices, amin'ny maha Sekreterampanjakana misahana ny Fanatanjahantena sy ny Tanora azy, no zavatra tena nahagaga, indrindra ho an'ny mpampiasa aterineto.

Namoaka ny vaovao teo amin'ny Twitter i Slim ( @Slim 404):

Je suis secrétaire d'état a la Jeunesse et aux sports 🙂

Tao anaty tafa ho an'ny French Radio (Radio Frantsay), nanazava i Slime fa nisy nanantona izy ora maro nialohan'ny nanambaràna ilay governemanta vaovao ary fanapahankevitra tsotra ny safidy noraisiny ho an'ny olona izay te-handray anjara amin'ny fananganana ny demaokrasia ho an'ny firenenany, nampiany fa “10 taona fara fahakeliny no ilain'ny Tonizia mba hametrahany demokrasia marintoerana.”

Vantany vao natao fanta-bahoaka ny fanendrena an'i Slim, nanomboka niraraka ny fanehoankevitra teo amin'ny Twitter. Ankoatra ireo arahaba mafana, nifangaroharo ny fanehoankevitra. Misy nitady ny hialàn'i Slim ao amin'ny governemanta, ny sasany vonona ny hanome azy ny tombontsoan'ny fisalasalana.

Manoratra ilay Libaney @Antissa (Antoun Issa):

Arahaba ho an'i @slim404, avy eny am-ponja tonga eny amin'ny ministera ao Tonizia. Tokony atao ao Tunis angamba ny Fihaonan'ny bilaogera Arabo manaraka? #sidibouzid

Namaly i @TeaCupThrills (i.bushra):

@antissa tsy misy antony hiarahabàna azy eto. Raha misy, namarotra ny fanahiny izy. Mampanahy kely io ho ahy. Indrisy ho an'ny tsirairay aminy.

Mibitsika i @kikukoloko (Gontran):

@slim404 J'espere que ton nouveau role en #tunisie ne te montera pas trop a la tete et que tu resteras ce mec bien qui ta amene au poste 😉

@slim404 Manantena fotsiny aho fa tsy hahatonga anao ho olona be loha ny asanao vaovao ao #Tonizia ary mba hijanona ho ilay bandy mahafinaritra izay nitondra anao ho eo amin'io toerana io ianao 😉

Naman'i Slim i Yassine Ayari sady mpiara-miasa taminy taloha teo amin'ny sehatry ny fikatrohana. Namoaka ity horonantsary ity [Ar] izy izay hahitana azy miresaka amin'i Slim ary manazava ny antony iheverany hoe tsy hendry ny fanapahankevitr'ilay namany taloha handeha hanatevina laharana ilay governemanta adala. Hoy izy:

Slim, mendrika ny tsara noho izany ianao. Tsy ankatoavn'ny be sy ny maro ny olona nanome anao anio toerana io androany. Mampiasa anao izy ireo mba hanakanana anay, mpikatroka aty amin'ny aterineto.

Izay valian'i Slim eo amin'ny Twitter:

@yassayari je suis pas secrétaire d'etat pour que vous fermiez votre gueule, je suis la pour en prendre plein la gueule avec le gouvt. 🙂

@yassayari je vais faire mon travail, et je compte sur toi pour ne pas etre d'accord comme d'hab. on a tjrs bien fonctionné comme ca.

@yassayari la variété, la différence il n'y a que ca de bon. on n'a pas l'habitude en Tunisie, mais on s'y fera tres vite 😉

@yassari Tsy Sekreterampanjakana mba hanakatonanareo ny vavanareo aho. Voatendry eto aho mba hanao fanamby amin'ny governemanta 😉

@yassari Hanao ny asako aho ary manantena anao aho mba tsy hitovy hevitra amiko toy ny mahazatra. Tahaky izay foana ny fomba fiasantsika.

@yassari Fahasamihafana, tsy fitovizana… Zavatra tsara ireo. Mbola tsy zatra anio isika eto Tonizia, fa ho tonga any isika 😉

Manontany ilay Ejiptianina @mfatta7 (Mohamed  Abdelfattah)

@slim404 Maninona ianao no nanaiky ny toeranao eo ambanin'ity governemanta mampihomehy tsy nofidiana ity?

Manoratra i @mariamekea (Mariam):

Tsy te-hitsaratsara aho, fa nilavo lefona teo anoloan'ilay fitondrana izay nanagadra azy tamin'ny voalohany izy.

Izay novalian‘ilay Moraokanina @IbnKafka (Ibn Kafka)

@mariameka: amin'ny maha-tsy mpikambana ao amin'ny RCD [antokon'i Ben Ali] azy talohan'ny revôlisiona, omeko azy ny tombontsoan'ny fisalasalana.

Manoratra i @ifikra (Sami Ben Gharbia):

Amin'ny maha namana akaiky, mangataka anao aho @slim404 mba tsy hanaiky hiaraka miasa amin'ireo izay namono Tonizianina ireo, mijanòna ho madio mijanòna ho olompirenena #SidiBouzid

Farany, manamarika i @MehdiLamloum (Mehdi Lamloum)

La nomination de @Slim404 suscite une grande controverse … ça doit être cela qu'on appelle la liberté d'expression et la démocratie…

Manaitra fifandirana be ny fanendrena an'i @Slim404 … Izao angamba no antsoina hoe fahalalana miteny sy demokrasia …

Ampahan'ny fandrakofanay manokana ny Tunisia Revolution 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.