Ahoana no Nanovan'ny Mpihira Sasany ny Endriky ny Seha-Kiran'i Amerika Latina (Ampahany Voalohany)

Pikantsarin'ny andiany-“LiveYourMusic” novokarin'ny fampahalalam-baovao antserasera Shiliana Pousta izay fiaraha-miasa amin'ny marika labiera Heineken. Ao amin'ny sary, mampiseho ny toeram-piasany ilay mpamoron-kira sady mpamokatra hira elektronika Valesuchi. Hita ao amin'ny Youtube.

Nanjary lasa fitaovana fanavatsavana sy fiainana hira vaovao avy amin'ny faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao ny aterineto. Any Amerika Latina, mamoaka ho hitan'ny besinimaro ireo mpitendry mozika manolotra fomba vaovao hijerena ny sehatry ny hira any amin'ny faritra ny andian-tsarimihetsika an-tserasera iray.

Ireo mpitendry mozika vaovao no eo anivon'ny andian-tsarimihetsika “Live Your Music”, novokarin'ny fampitam-baovao antserasera Shiliana Pousta fiaraha-miasa amin'ny Heineken. Mifantoka amin'ny karazan-mpitendrena hira samihafa ny fizarana tsirairay araka ny itarafan-dry zareo ny fahasarotana amin'ny fanaovana hira elektronika ao Shily, ny firoboroboan'ny media sy ny sary an-tserasera amin'ny karazan-kira mila miova.

Manangona ireo fijoroana vavolombelona ireo ary mampiditra amintsika ny endritany marevaka amin'ny sehatry ny hira elektronika Shiliana vaovao ny fizarana voalohany mitondra ny lohateny hoe “Internet”. Mampiharihary antsika koa ny fahasarotana misy eo amin'ny tontolon'ny hira eto amin'izao tontolo izao, toy ny fetra ara-toekarena sy ny fiovana haingana natao tao amin'ity sehatra nipongatra ity.

Araka ny voalazan'i Leo Prieto:

No es que la tecnología creó un nuevo tipo de artista o de músico, sino que ellos siempre habían estado. La tecnología simplemente era lo que hacía falta para que pudieran llegar a la audiencia que hace rato los estaba esperando.

Tsy namorona mpanakanto na mpitendry toa izao ny teknolojia, izy ireo mantsy efa teo foana. Ireo teknolojia ireo ihany no tsy teo mba ahazoan'izy ireo mpihaino efa niandry azy ireo efa fotoana elaela izay.

”Afaka manao izany avokoa ny olona manana solosaina sy hevitra tsara rehetra”

Maqinas” mijery ireo fomba ataon'ny mpiangaly hira mitady ny feony azy manokana. Mianatra ireo fahasarotana izay hita ao amin'ny rafi-peo isan-karazany isika ary mahita fa azo atao ny mamoaka feo avy amin'ny loharano maro — eny fa na dia ny kilalaon-jazalahy aza.

Araka ny voalazan'i Vicente Sanfuentes :

Falta reescribir un poco la imagen de lo que es el músico electrónico. Estamos acostumbrados a que el músico electrónico sea hombre, lampiño, tecnológico, medio gringo, con tufo alemán […] No estamos interesados en que la música siempre sea creada por una parte de la sociedad, creemos que la voz artística le pertenece a todos. Creemos que cualquiera en su casa que tenga un computador y que tenga buenas ideas puede hacer esto. […] Es importante que se abra la imagen [de la música electrónica] que se cambie un poco de lugares, también, y que deje de tener ese tufo mecánico clase alta que tiene y que pase a ser vehículo de otras ideas.

Mbola mila mamorona ny sarin'ireo mpiangaly hira elektronika ireo isika. Zatra an'ireo mpitendry mozika elektronika ho lehilahy, solabe, teknôlôgy, somary vahiny fotsy fihodirana amin'ny fofona alemana isika […] tsy liana tamin'ny hira noforonin'ampaham-piaraha-monina iray isika, mino isika fa an'ny rehetra ny feo artistika. Mino isika fa na iza na iza manana solosaina sy hevitra dia afaka manao izany […] zava-dehibe ny fanokafana ny endrika [ana hira elektronika] sy ny miova toerana ihany koa, noho izany nijanona tsy nanana io toerana ambony io izy ary nanomboka nampita karazan-kevitra hafa.

ifampizarana amin'ny mozika. Asehony ho hita amin'ny mazava ireo zava-niainana avy amin'ny fetibe maro, ny bara  eny fa na dia ny fety tsy ara-dalana aza. Nanoritra ny majika manokana ao anatin'ny fety elektronika tao Shily i Pia Sotomayor :

Nosotros antes de ser productores de música somos fanáticos de la música en un 100%. Lo he dicho mil veces y lo digo muy honestamente, las fiestas en Chile logran un nivel de éxtasis demasiado importante.

Talohan'ny maha-mpamokatra hira anay, mpankafy hira 100% izahay. Nolazaiko in'arivony izany ary lazaiko amin'ny fahatsoram-po tanteraka — mahatratra haavo tsy mampino ny lanonana (elektronika) aty Shily

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.