- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vaovao Farany Lingua : Novambra 2017

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

The Lingua ProjectArahaba ho an'ny tsirairay! Atolotro anareo ny toeran'ny Lingua [1] ho an'ny Novambra 2017.

Amin'ny fitambarany nandritra iny volana iny, lahatsoratra 597 no navoakantsika, nahasarika fitsidihana niisa 243.624  ary fijerena pejy niisa  303.495. Nahazo mpanjohy miisa 267. 936 ny Lingua Facebook, pejy iraisantsika amin'ny mpankafy ary  mpanjohy niisa 270.080 tao amin'ny Twitter.

Indro ny topimaso mampiseho ny zavabitan'ny tranonkala tsirairay avy tamin'ny volana lasa [2].

Nisongadina

Nitarika tamin'io volana io :

Lahatsoratra

Malagasy 148
Espaniôla   91
Rosiana     63
Frantsay    57
Portiogey   46

Fitetezana pejy

Espaniôla         101.910
Frantsay            37.325
Portiogey           35.227
Japoney            26.978
Shinoa Tranainy 17.918

Facebook

Arabo         132.288
Shinoa         42.294
Espaniôla    19.882
Frantsay      17.723
Amharic         8.898

Twitter

Shinoa      178.750
Arabo          44.094
Espaniôla     7.673
Bangla         7.371
Frantsay      5.615

Ny asan'ny mpandika tsirairay at amin'ny GV, ary ireo toniandahatsoratra tsirairay, no manome ny tanjaky ny Lingua, mahatonga azy ho ny tena ain'ny GV! Isaorana betsaka ianareo manao izay hisian'izany! 🙂

Aza adinoina ny manaraka ny GV Lingua ao amin'ny Twitter, [5] Facebook [6], ary Google+ [7]! Miangavy anao mba zarao  amin'ny namanao sy ny tambajotra misy anao ny fisoratana anarana hanatevina laharana ny Lingua [8]. Mandika teny ho aminà teny ampolony maro isika [9]!