- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tongasoa Ny Toniandahatsoratra Vaovao Ho An'ny Lingua Arabo!

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

Azafady, fantaro i Ali Khalil [1], toniandahatsoratra vaovao ato amintsika miandraikitra ny  Lingua Arabo [2]! Ankehitriny dia i Ali sy Rawan Gharib [3] no mitantana ny tranonkala amin'ny teny Arabo.

Ali, safiotra Ejiptiana-Sodaney monina ao Kairo, dia miasa miandraikitra ny toeran'ny Lehiben'ny Filankevitra momba ny Fitantanana ny Fanangonana Trosa any amin'ny Mpanjifan'ny Etisalat Misr, ary mpandikateny & toniandahatsoratra miasa malalaka ! Hainy ny teny Arabo, Anglisy ary Alemàna !

Ali Khalil

Ali Khalil ao Bali, Indonezia.

Afaka ataonao ny manaraka azy ao amin'ny Facebook [4]LinkedIn [5], sy Instagram [6]!

Tongasoa , Ali! 🙂