Vaovao Farany Lingua : Desambra 2017

Arahaba ho an'ny tsirairay! Atolotro anareo ny toeran'ny Lingua ho an'ny Desambra 2017.

Amin'ny fitambarany nandritra iny volana iny, lahatsoratra 599 no navoakantsika, nahasarika fitsidihana niisa 177.191 ary fijerena pejy niisa 222.339..

Tamin'ny 2017, lahatsoratra 8.625 no navoakantsika , nahasarika fitsidihana niisa 2.919.341 ary fijerena pejy niisa 3.661.112. Nahazo mpanjohy miisa 267.570 ny Lingua Facebook, pejy iraisantsika amin'ny mpankafy, ary mpanjohy niisa 270.936 tao amin'ny Twitter.

Indro ny topimaso mampiseho ny zavabitan'ny tranonkala tsirairay avy tamin'ny volana lasa.

Nisongadina

Nitarika tamin'io volana io:

Lahatsoratra

Malagasy 177
Espaniôla 100
Rosiana 66
Frantsay 52
Portiogey 36

Fitetezana pejy

Espaniôla          63.509
Frantsay            31.557
Japoney            20.003
Portiogey          17.965
Shinoa Tranainy 14.563

Facebook

Arabo         131.970
Shinoa         42.258
Espaniôla    19.884
Frantsay      17.672
Amharic         8.902

Twitter

Shinoa      179.540
Arabo          44.093
Espaniôla      7.646
Bangla          7.414
Frantsay       5.616

Filaharana avy any amin'ny lohany ho an'ny taona 2017 :

Lahatsoratra

Malagasy   2.099
Espaniôla  1.770
Frantsay       843
Rosiana        809
Grika            646

Fitetezana pejy

Espaniôla         1.137.110
Frantsay              430.071
Portiogey             349.824
Japoney              316.553
Shinoa Tranainy. 228.039

Ny asan'ny mpandika tsirairay at amin'ny GV, ary ireo toniandahatsoratra tsirairay, no manome ny tanjaky ny Lingua, mahatonga azy ho ny tena ain'ny GV!! Arahaba nahatratra ny taona! 🙂

Aza adinoina ny manaraka ny GV Lingua ao amin'ny Twitter, Facebook, ary Google+! Miangavy anao mba zarao  amin'ny namanao sy ny tambajotra misy anao ny fisoratana anarana hanatevina laharana ny Lingua. Mandika teny ho aminà teny ampolony maro isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.