- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Niditra Ny Tontolon'ny Olondehibe Izahay, Ary Hanao Ny Tsara Indrindra” Manamarika Ny Andron'ny Fahatongavana Amin'ny Taona i Japana

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Tanora, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina
seijinshiki

Taovolon'ny fahamatorana. Pikantsary avy amin'ny  Instagram [1] .

Isan-taona, manamarika ny Andron'ny Fahatongavana Amin'ny Taona [2] (成人の日, seijin no hi) ny Alatsinainy faharoa amin'ny Janoary izay fotoana ofisialy ankalazàn'ny tanora Japoney ny fahatratraràna ny taonan'ny fahamatorana ao Japana — 20 taona. Misy ny fivorian'ny kilasy, fanasàmbe ary, matetika, korana anaranam-po hibobohana.

Amin'ny faha-20 taona, afaka mandeha mifidy ny Japoney, afaka misotro toaka ara-dalàna, ary mitondra fiara. Amin'ny maha dingana iray lehibe azy ao anatin'ny fiainan'ny olona  iray, voatatitra tsara eo amin'ny media sosialy koa ilay andro.

Ny Alatsinainy 8 Janoary 2018, mihoatra ny iray tapitrisa ny olona nanamarika ny faha-20 taonany ary ny satany vaovao amin'ny maha olondehibe azy. Nanao lanonana ofisialy ny kaominina rehetra tao Japana hanamarihana ilay andro, ary natrehan'ireo vao lasa ho olondehibe, matetika manao akanjo mihaja na nentimpaharazana.

Ao Kamogawa Seaworld, [3]no misy ny iray amin'ireo lanonana tena malaza indrindra, trano fampisehoana bibindranomasina ao ivelan'i Tokyo. Asaina mba haka sary miaraka amin'i Kanjkun, ilay liona an-dranomasina monina ao ny mpandray anjara.

Sary iray nozarain'i  ☺︎ や ま ぐ ち さ な ☺︎ (@saaaaana.5_19) [4] on

Eo amin'ny 1.2 tapitrisa eo ny olona [5] ho tonga taona amin'ny 2018, nilatsaka avy amin'ny 2.46 tapitrisa tamin'ny 1970 [6]. Ao amin'ny vakim-bohitra faha-23-n'i Tokyo, tsy Japoney ny ampahavalon'ireo  olondehibe vaovao [7] . Araky ny Japan Times:

Olondehibe vaovao tsy Japoney miisa 10.959 no miaina ao afovoan'i Tokyo, na 13 isanjato amin'ny olondehibe vaovao miisa 83.764 monina ao an-tanàna.

Ao amin'ny vakim-bohitra iray ao Tokyo, araky ny Japan Times, nitombo avo telo heny ny isan'ny olondehibe vaovao tsy Japoney tato anatin'ny dimy taona. Fitomboana nateraky ny fandaharanasa ho an'ny mpianatra sy mpiofana [8] izay nandray nivatravatra ireo tanora mpiasa  avy any amin'ny toerana hafa ao Azia izay fitombon'ny olondehibe vaovao tsy Japoney izay.

Fivoriana, koràna anaranam-po ary hetraketraka mandeha maotera

Nivokatra tamin'ny sary aman'arivony ny tenifototra “Tonga  taona / andron'ny Fahatongavana Amin'ny Taona”  (#成人式 [9]), toy ny fivorian-dakilasy sy lanonambe izay manamarika ilay andro.

. 1.7 成人式と同窓会 . . あっという間に20歳㊗️ . ほんまに楽しすぎる1日やった?✨✨ . #丸亀#丸亀南#成人式#同窓会 #写真送ってください [10]

A post shared by koki [11] (@ky02kyupi) on

Lanonan'ny Andron'ny Fahatongavana Amin'ny Taona sy fivorian-dakilasy. Indray mipi-maso dia 20 taona daholo isika! Andro mahafinaritra. #Alefaso_amiko_ny_sarinareo!

Fomba tsara hitadiavana sarin'ny kimono nentim-paharazana nanaovana manokana ho an'ny Andron'ny Fahatongavana Amin'ny Taona ny tenifototra furisode (#振り袖 [12]), na kimono lava tànana.

. . 2018/01/03 新成人になりました✨ 大人の仲間入り☺ 頑張ります! . #平成29年度 #成人式 #熊本 #人吉 #カルチャーパレス #新成人 #振り袖 #袴 #成人式ヘア #生花 #成人式ネイル #久しぶり #幼馴染み [13]

A post shared by なかむら あすか [14] (@ahinyan) on

Ny 3 Janoary izahay no nanao ny lanonan'ny Fahatongavana Amin'ny Taona… Niditra tamin'ny tontolon'ny olondehibe izahay ka hiezaka hanao ny tsara indrindra! #2018 #AndroFahatongavanaAmin'nyTaona #Kumamoto.

今週末は、成人式ですね♪晴れるといいな~ キモノハーツさんのがコーディネートした振袖を描きました(´∀`*) 今はこんな振り袖のスタイリングがあるのね✨と毎年楽しみなイラストのお仕事です♪ ちなみに、私は20才の頃は、オーストラリアに居たので浴衣で迎え、日本に帰ってきてから振袖を着ました(´∀`*) 二十歳おめでとう✨とお祝いの気持ちを込めて、振袖の絵を成人式まで毎日アップしていきます♪ #illustration #illustrator #ilustrasi #drawing#fashionillust  #style #fashionsnap #kimono#japanesekimono #megumimatsuda  #イラスト #イラストレーション #イラストレーター #ファッションイラスト #ファッション #ファッションスナップ #着物コーディネート #振袖ヘア #成人式ヘア  #着物 #和装 #和服 #きもの  #振袖 #きもの番長 #기모노#กิโมโน #иллюстрация #패션일러스트  #成人式 [15]

A post shared by きもの番長 松田恵美 Megumi [16] (@kimonobancho) on

Amin'ity faran'ny herinandro ity ny Lanonan'ny Andro Fahatongavana Amin'ny Taona. Enga anie ka hiposaka ny masoandro!

Efa nasiako sary ireo hevitra sasany hanaovana ny fandrindrana (haingo fanampiny sy taovolo) ho an'ireo vehivavy izay sambany hanao voalohany ny furisode [kimono lava tanana]… (´∀`*)

Itony misy fiakanjo maoderina. Zavatra fanaoko isan-taona. Raha ny zavamisy, tany Aostralia ny tenako fony feno 20 taona, ka naleoko nanao yukata (kimono maivana natao tamin'ny landy fitndra amin'ny fahavaratra), ary tsy nanana vintana hanao furisode aho raha tsy rehefa tafaverina taty Japana. (´∀`*)

Araka izany dia arahabaina nahatratra ny faha-20 taona! Ho fanampiana anareo hankalaza ity andro ity, hampakatra sary isanandro aho [hatramin'ny 8 Janoary]

Mikajy ny fiakanjony sy ny fisehoany koa ny lehilahy, indrindra fa ny taovolo.

僕は成人式は当たり前にヘアメイクしてホストスーツで行きました?笑 今日からお店やってます✨ #成人式#成人式ヘア #ホスト#スーツ#職業イケメン#モデル#AIRGROUP#ミナミ#歌舞伎町#袴 [17]

A post shared by 成宮 鳴(なるみやめい) [18] (@narumiyameimei) on

Fantatry ny rehetra fa ataoko tsara be ny voloko ary hanao ny akanjo mihaja mainty aho amin'ny Andron'ny Fahatongavana Amin'ny Taona ho an'ny asako “mpandray vahiny ao amin'ny trano fisotroana”, lol.

Fantatra ho andron'ny fahatongavana ho lehilahy ho an'ny yancha na ny zazalahy maditra ny Andro Fahatongavana Amin'ny Taona, ary afaka mitondra fiara nabontsimbontsina no sady manao akanjo misarika maso. Olondehibe iray vaovao, mitafy maotina anaty akanjo mihaja mainty, namangy an'ireo mpiara mianatra aminy feno fihantsiana kokoa:

Tsy miova mihitsy ny mponina ao Atsugi [ao Kanagawa, ao atsimo andrefan'i Tokyo]. Toy ny miverina any amin'ny ambaratonga faharoa.. tena nahafinaritra! Mialatsiny fa nandao antenantenany ny fivorian-dakilasy… ary tamin'ny fanaovana akanjo mihaja. Amin'ny manaraka indray! angamba.

Tafiditra amin'ny Andron'ny Fahatongavana Amin'ny Taona ny akanjo manintona maso sy fiara vaovao manintona kokoa ny maso ho an'ireo olon-dehibe vaovao sasantsasany:

Ny lanonan'ny Fahatongavana Amin'ny Taona no tena tsara indrinra. ?

Raha misy manana sary na horonantsary hafa… Mba alefaso aty! ???

Fanofàna kimono nanaratsy ny andron'ireo olondehibe vaovao aman-jatony.

Raha tamin'ireo taona taloha, ny tabataba sy hamamoana imasom-bahoaka no nibahana betsaka tamin'ny lohantenimbaovao, ity taona ity kosa, ny fikatonana  tampoky ny toerana iray fanofana kimono [23], namela vehivavy an-jatony nanokana petrabola ho an'ny kimono tsy nisy nanaovana ho an'ny Andron'ny Fahatongavana Amin'ny Taona, lasa lohatenimbaovao ary niparitaka teny anaty tambajotra sosialy.

Nofy ratsy ho an'ny vehivavy ilay toejavatra, izay niandry taona maro mba hitafy tsara hanamarihana ny fahatongavany amin'ny taona.

Araky ny nanamarihan'ny mpampiasa Twitter iray:

Nankalaza ity andro ity aho roa taona lasa izay, fa betsaka ny vehivavy tsy nanana ho anaovana noho ity fiakanjo manidina amin'ny alina ity. Misy fotoana aza tsy averin'ny olona ireo kimono tahirizina ao amin'ilay fivarotana. Malahelo mafy izao ireo olona be dia be sy ny fianakaviany izay manantena ny Andro Fahatongavana Amin'ny Taona. Andro iray amin'ny fiainanao ihany ianao no ho feno 20 taona, sarotra ny hamela heloka an'iny orinasa iny.

Rehefa nabaribary ilay toejavatra, farafahakeliny, vehivavy enina  tratr'ilay fanakanonana no nahazo fanampiana [26] avy amin'ny tranombarotra iray mpivarotra kimono tao amin'ny manodidina an'i Tokyo, mba hiakanjoana mandritra ilay andro manokan'izy ireo.

Nankafy ilay andro tamin'ny fomba maro isankarazany izay nalainy avy tamin'ny vaovao nivoaka ny alina ireo olondehibe vaovao an-tapitrisany hafa: