- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Serbia: Fahafatesana Mpanohana Baolina Kitra Frantsay Iray

Sokajy: Serbia, Fanatanjahantena, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zon'olombelona

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny 30 septambra 2009)

Nodarohan'ny mpanohana ny ekipan'i Partizan i Brice Taton, Frantsay iray 28 taona, mpanohana ny ekipan'i Toulouse Nitranga tao afovoan-tanànan'i Belgrade izany fotoana fohy talohan'ny nanombohan'ny lalao teo amin'ny ekipa roa tonta. Maty tao amin'ny hopitalin'i Belgrade izy tamin'ny 29 septambra. Nahatonga fanehoan-kevitra tamin'ireo mpibilaogy maro ity vaovao mahatsiravina ity.

Nanoratra [1] i Srdjan Mitrovic:

J'ai honte de cette ville, de ces hommes politiques et de ce pays.

Mahamenatra ahy ity tanàna ity, sy ireo mpanao politika ary ity firenena ity

Nanangana vondrona Facebook i Marko Jevtic – “Atsaharo ny herisetra [2]” – ary ao amin'ny bilaoginy, dia nanasa ireo mpamaky azy izy hiaraka aminy. Nanoratra ihany koa izy [3]:

Je suis fan du Partizan. Je suis né et j'ai grandi à Belgrade… mais j'ai honte.

REPOSE EN PAIX BRIS

Mpankafy ny ekipan'i Partizan aho. Teraka sy nobeazina teto Belgrade aho … fa menatra aho

Mandria am-piadanana Brice

Nanoratra [4] i Srecko Sekeljic hoe:

Les paroles et les gestes de violence,l'interdiction du défilé de la Gay Pride dans le centre de la capitale, le passage à tabac de nombreuses personnes, la mort tragique de Brice Taton suite à ses blessures, l'impossibilité pour les habitants de marcher en toute sécurité dans les zones urbaines  – tout cela prouve clairement le besoin urgent de faire front commun face à la violence. La première chose à faire pour les citoyens est de reprendre les rues aux bandes et individus qui répandent la haine et sèment la peur et la mort. Ensuite, les institutions devront entamer des poursuites judiciaires suivies d'effets à l'encontre de ces individus, de ces bandes et organisations qui propagent et pratiquent cette violence.

Ireo teny sy ny fihetsika maneho herisetra, ny fandraràna ny hetsika Gay Pride Parade tao afovoan'ny renivohitra, ny hamaroan'ny olona hiaran'ny herisetra, ny fahafatesan'i Brice Talon, ny tsy fahafahan'ireo mponina mandeha eny an-dalambe am-pilaminana-  Manaporofo izany rehetra izany fa ilaina maika ny fiaraha-mijoro manohitra ny herisetra. Ny dingana voalohany tokony atao dia ny fakana ny arabe ho an'ny  olom-pirenena indray, izay anjakan'ireo andian-jiolahy sy ireo olona izay manely fankahalana sy mamafy tahotra. Faharoa, mila mandray andraikitra ireo andrim-panjakana hanenjika ireo olona, andian-jiolahy ary ireo fikambanana manaparitaka sy mampihatra io herisetra io.

Naneho ny fiaraha-miory tamin'ny fianakavian'i Brice ny manampahefana Serba ary nilaza fa tsy hanadino azy velively i Serbia. Namoaka ity fanambaran [5]‘i Ivica Dacic, minisitry ny atitany ity ny tranokalan'ny radio-televiziona studio B.

“En tant que représentant du ministère de l'intérieur serbe, j'exprime mes sincères condoléances pour la mort de votre fils. Jusqu'au dernier moment nous avons espéré que Brice et sa jeunesse gagneraient. La nouvelle de son décès, que les citoyens de Serbie ont accueilli avec grande tristesse, est des plus tragiques.”

“Amin'ny maha solontenan'ny Minisiteran'ny atitany Serba ahy, maneho ny fiaraha-miory aminareo aho noho ny fahafatesan'ny zanakareo. Hatramin'ny fotoana farany nanantena izahay fa handresy ny fahafatesana i Brice sy ny fahatanorany.  Noraisin'ny olom-pirenen'i Serbia tamim-alahelo lehibe ny fahafatesany .

Araka ny  voalazan'ny Studio B, nangataka ny olom-pirenena hivondrona eo amin'ny kianja afovoan'i Belgrade tamin'ny Alarobia mba hanomezana voninahitra ny niharam-boina ny Sekreteram-panjakana misahana ny zon'olombelona Marko Karadžić, mitondra voninkazo  sy ny labozia. Hoy izy:

C'est une affreuse nouvelle qu'un citoyen français ait perdu la vie de cette façon à Belgrade. Je  demande à tous les habitants de Belgrade de venir sur la place de la République [en serbe, Trg Republike], d'allumer des bougies et de laisser des fleurs pour montrer que nombreuses personnes en Serbie rejettent la violence et que la Serbie n'oubliera jamais le français Brice Taton, et qu'elle ne permettra plus jamais qu'une telle chose arrive.

Vaovao maharikoriko ny namoizana iny Frantsay iny tamin'izany fomba izany tany Belgrade. Miangavy ny mponin'i Belgrade rehetra aho hankany amin'ny Kianjan'ny Repoblika [Serba, Trg Republike], miaraka amin'ny labozia mirehitra ary hametraka voninkazo hanehoana fa maro ny olona any Serbia no mandà ny herisetra ary tsy hanadino na oviana na oviana an'i Brice Taton i Serbia ary tsy hamela ny hisian'ny tranga toy ireny intsony .

Naneho hevitra [6] ihany koa ny filoha Tadic:

“La Serbie va réagir avec le plus grand sérieux et avec des principes très stricts. […]”

“Handray fepetra amin'ny ambaratonga avo indrindra i Serbia, ary amin'ny fitsipika henjana indrindra. […] “

Nampiany fa fampitandremana “ho an'ny andian-jiolahy rehetra izay nampiroborobo herisetra tao ho ao izany”.