Tonizia: Ho Fahatsiarovana Ilay Gadran'ny Aterineto Voalohany

(Nivoaka tamin'ny 17 marsa 2009 ny lahatsoratra teny anglisy)

Hahatsiaro hatrany an'i Zouhair Yahiaoui [en] ho olona iray izay nanokana ny fiainany amin'ny ady ho amin'ny fahalalahana maneho hevitra ireo mpikatroka Toniziana.

Zouhair Yahyaoui, Ettounsi na Le Tunisien no anaram-panoratana, nahazo mari-pahaizana momba ny siansa are-toekarena sy mpanao gazety amin'ny aterineto. Tamin'ny 2 jona 2000,nanasa ireo mpamaky ny tranonkalany TUNeZINE izy hifidy raha toa ka “repoblika, fanjakana, valan-javaboary na fonja” i Tonizia. Fotoana fohy taorian'izay izy dia nosamborin'ny mpitandro filaminana nitafy toy ny sivily, ary tsy misy taratasy fisamborana azy raha tao anaty cybercafé.

Noafahana i Zouhair Yahyaoui tamin'ny volana Novambra 2003 rehefa nigadra nandritra ny 18 volana, ary tamin'ny 13 martsa 2005 dia maty noho ny areti-po teo amin'ny faha-36 taonany izy. Nandritra ny fitazonana azy tany am-ponja, nanao fitokonana tsy hihinan-kanina  izy hanoherana ireo  fepetra izay nitazonana azy ary nilaza ireo mpanohana azy fa nampijaliana ihany koa izy.

Ho fahatsiarovana ny tsingerintaona fahaefatry ny nahafatesany, mampahatsiahy antsika mikasika ny gadran'ny aterineto voalohany ao Tonizia ny tontolon'ny bilaogera Toniziana manohana ny famahanam-blaogy malalaka :

تمرّ اليوم 4سنوات على رحيل زهير اليحياوي مؤسس موقع “تونزين”، وقد توفي الفقيد على إثر نوبة قلبية وهو لا يزال في ريعان شبابه.
دخل السجن في ربيع 2002 ودفع غاليا ثمن تشبثه بالدفاع عن الحرية مستعملا في ذلك التقنيات الحديثة التي وفرتها شبكة “الأنترنيت”، وهو ما جعله يصبح رمزا للنضال على الشبكة.
كان ولا يزال يمثل نموذجا للمناضل والمدافع الصلب عن قضايا الديمقراطية ـ و قد دخل عدة مرات في اضراب عن الطعام للمطالبة بتحسين وضعه داخل السجن دون أن تستجيب الادارة العامة للسجون لمطالبه وقد أثرت ظروف اعتقاله على صحته التي تدهورت

Efa-taona lasa izay, nandao antsika taorian'ny fijanonan'ny fony tampoka i Zouhair Yahyaoui, ilay mpamorona ny tranonkala Tunezine, raha mbola teo amin'ny fahatanorany izy.

Nogadraina izy tamin'ny lohataonan'ny taona 2002 ary namita ireo adidy rehetra tamin'ny fanoloran-tenany hiarovana ny fahalalahana. Nampiasa teknolojia maoderina amin'ny aterineto izy, izay nitarika azy ho mariky ny tolona tao amin'ny tranonkala. Mijanona ho maodely iray ho an'ireo mpikatroka sy ireo mpanandra-tenin'ny demaokrasia izy. Imbetsaka izy no nanao fitokonana tsy hihinan-kanina mba hitakiana ireo fepetra hiainan'ireo voafonja, saingy tsy niraharaha ny fangatahany ny mpitantana ny fonja. Niharatsy anefa ny toe-pahasalamany noho izany.

Ary toa niharatsy ny toe-draharaha hatramin'ny nahafatesan'i Zouhair Yahyaoui. Mitatitra ny famoretana  an'aterineto any amin'ny fireneny amin’ity lahatsoratra ity ilay bilaogera toniziana sady talen'ny vohikala Global Voices Advocacy Sami Ben Gharbia , .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.