Netizen Report: Nosakanan'ny Manampahefana Iraniana Ny Tranonkala Iraisampirenena Sy Ny Sehatra Fandefasan-kafatra

Mashhad amin'ny alina. Sary avy amin'i Farnaz Ghandi tao amin'ny Flickr (CC BY-SA 4.0)

Ny Netizen Report an'ny Global voices Advocacy dia manome topimaso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena sy ny vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany.

Tao anatin'ny onja mahery vaikan'ny hetsi-panoherana manerana an'i Iran nandritra ny herinandro lasa teo, nandray fepetra hentitra ny manampahefana mba hanakanana ny fifandraisana sy ny fifanakalozam-baovao ao amin'ny sehatra toy ny Telegram sy ny Instagram.

Tamin'ny 2 Janoary, nilaza tamin'ny Foiben'ny Zon'Olombelona ao Iran ny loharanom-baovao izay miasa ao amin'ny fifanakalozana antserasera ao Iran fa nandidy azy ireo ny governemanta mba hanakorontana ny fidirana amin'ny vaovao iraisam-pirenena. Midika izany fa tsy azo hidirana mandritra ny fotoana sasany ao Iran ny tahiry iraisam-pirenena.

Nitombo nanomboka tamin'ny 28 Desambra ireo sy ny famerana hafa, raha nipoaka ny hetsi-panoherana tao an-tanàna avaratra atsinanan'i Mashhad noho ny tsy fananan'asa, ny fiakaran'ny vidin-tsakafo, sy ny fiampangana fanaovan-dratsy atao amin'ireo mpitarika governemanta reformista sy mpandala ny nentin-drazana. Niparitaka tany amin'ny tanàna kely sy tanàna lehibe ny fihetsiketsehana tamin'ny 29 Desambra.

Ny 31 Desambra, nanambara ny Sampana Fampielezam-peon'ny Repoblika Islamika fa nampiaton'ny manampahefana “vetivety” ny “Telegram sy ny Instagram” mba hiarovana ny fandriampahalemana sy ny filaminan'ny olom-pirenena.” Fihetsiketsehana goavana ao Iran izany, izay nanakanana sehatra lehibe hafa tahaka ny Facebook sy Twitter taorian'ny fihetsiketsehana Hetsika Maitso 2009.

Nisy fiantraikany goavana tokoa ny fanakanana ny Telegram, satria lasa nisy foana ny fampiharana fandefasan-kafatra amin'ny finday eo amin'ireo mpiserasera ao amin'ny firenena. Amin'ireo Iraniana 45 tapitrisa ao amin'ny aterineto, mampiasa Telegram ho an'ny zava-drehetra ny Iraniana 40 tapitrisa, manomboka amin'ny fifandraisana amin'ny fianakaviana sy namana, hatramin'ny famakiana sy fizaram-baovao, ary koa hanohizana ny hetsi-bahoaka- anisan'izany ny hetsi-panoherana. Lavitr'ezaka ny voka-dratsin'ity karazana sivana ity. Satria nivadika ho mahery setra ireo fihetsiketsihana tao amin'ny tanàna sasany – nitatitra ny fampahalalam-baovaom-panjakana fa olona 21 no namoy ny ainy nandritra ny fifandonana – nanjary zava-dehibe hatrany mba hitazonana ny fiarovam-bahoaka ny fantsom-pifandraisana misokatra.

Mihen-danja ihany koa ny fitaovana fialàna amin'ny sivana nomerika, noho ny famerana ny tranokalan'izy ireo. Niharan'ny fanelingelenana ihany koa ny orinasa momba ny fotodrafitrasa antserasera toy ny Digital Ocean, izay manana fitaovana fialàna amin'ny sivana tahaka ny Lantern.

Na dia eo aza ireo fepetra ireo, mbola mampiasa aterineto mba hitatitra sy handrakitra izay zavatra iainany ny Iraniana. Ao amin'ny lahatsary nataon'i Bandar Abbas, nodoran'ny mpanao hetsi-panoherana ny sarin'ny Mpitarika Faratampony ao Iran, Ali Khamanei. Nosokajian'ilay mpanoratra ato amin'ny Global Voices sady mpisolovavan'ny fifindra-monina, Hamid Yazdan Panah ho toy “hetsika fahatezerana sy fihantsiana izay mihoatra ny zava-takiana na ny faniriana fanavaozana politika” izany.

Mahita fanakatonana aterineto alohan'ny fihetsiketsehana ny RDC

Tamin'ny 30 Desambra, nandidy ireo mpamatsy tolotra fifandraisan-davitra mba hanakatona ny fidirana amin'ny aterineto sy ny hafatra SMS alohan'ny hetsi-panoherana izay ho atao ao amin'ny tanàna maro ny ampitso ny manampahefana ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo. Ireo mpanao fihetsiketsehana, izay ao anatin'ny antokom-pivavahana ny ankamaroan'izy ireo, dia mangataka amin'ny filohan'ny DRC Joseph Kabila mba hanatsahatra ny fikasany hanova ny fe-potoam-piasan'ny filoham-pirenena ao anatin'ny lalàm-panorenana.

Tahiry manokana amidy ao India, noho ny Aadhaar

Amin'ny fikasana hamotopototra ny fiarovana ny tahiry manokana notehirizina ao amin'ny Aadhaar, rafi-pirenena misahana ny [kara-]panondro faobe ao India, afaka nahazo “fidirana tsy voafetra tamin'ny antsipirihan'ireo laharana maherin'ny 1 miliara noforonina tao India hatramin'izao ireo mpanangom-baovao ao amin'ny Tribune of India,  amin'ny alalan'ny famaliana fotsiny ny dokambarotra niely tao amin'ny WhatsApp sy fandoavam-bola 500 ropia (7,90 dolara Amerikana) tamin'ny afisy tsy nilaza anarana. Nilaza ny Manampahefana Misahana ny Famantarana Tokana ( Unique Identification Authority) (UIDAI) ao India fa “nandiso” ny tantara ny Tribune. Vakio ato ny valin-tenin'ny Tribune.

Hiresaka momba ny fitenenan-dratsy antserasera ny lalàna momba ny heloka antserasera ao Pakistan

Nankatoavin'ny Kabinetra Federaly ao Pakistan ny fanitsiana ny Lalàna momba ny Fisorahana ny Heloka Antserasera 2016 ao amin'ny firenena, manitatra ny lalàna mba hiadiana amin'ny fitenenan-dratsy sy ny pôrnôgrafia ao amin'ny aterineto. Ho sokajiana ho heloka bevava eo ambanin'ny lalàna ireo, ary afaka manokatra lalàna mankany amin'ny fiampangana heloka bevava ho an'ny olona izay mamoaka votoaty amin'ny media sosialy ka azo lazaina fa fitenenan-dratsy.

Mitsikilo anay? Aza faingana loatra, hoy ny fitsarana Alemà

Ny 13 Desambra 2017, nirona tany amin'ny fitoriana napetraky ny Reporters Without Borders tamin'ny fitoriana ny sampam-pitsikilovana vahiny ao Alemaina, BND, ny Fitsarana Miady amin'ny Fitantanana Federaly ao Leipzig, Alemaina. Milaza ny fanapahan-kevitra fa mety tsy mitahiry angona lehibe, toy ny laharan-telefaona ary ny ora sy daty ny antso, hanaovana fanadihadiana fitsikilovana ny BND. Tokony hisy fiantraikany goavana amin'ny BND izany, izay manangona tahiry lehibe eo amin'ny 220 miliara isan'andro, araka ireo andiana tahirin-kevitra naporitsaka tamin'ny Zeit Online tamin'ny taona 2015,  .

Afaka mitantana lahateny feno fankahalana ao amin'ny Facebook tokoa ve ny

olona miisa 7500?

Rehefa avy nanadihady ohatra nifarimbonana miisa 900 momba ny lahateny fankahalana tao amin'ny Facebook, dia nahita ny fampahalalam-baovao ProPublica fa manodidina ny roambinifolo eo ireo lahatsoratra tsy nesorin'ny Facebook, na dia eo aza ny ezaky ny mpiserasera mitatitra azy ireo. Nitatitra ihany koa ny ProPublica fa mampiasa olona 7500 eo ho eo ny Facebook mba handinika ireo tatitra momba ny kabarim-pankahalàna, an'ireo mpiserasera mavitrika tombanana ho 2,2 miliara manerantany. Nanazava ny tatitra hoe:

In 22 cases, Facebook said its reviewers had made a mistake. In 19, it defended the rulings. In six cases, Facebook said the content did violate its rules but its reviewers had not actually judged it one way or the other because users had not flagged it correctly, or the author had deleted it. In the other two cases, it said it didn’t have enough information to respond.

Tamin'ny tranga miisa 22, nilaza ny Facebook fa nanao fahadisoana ireo mpanara masony. Tamin'ny tranga miisa 19, najaina ny didy. Tamin'ny tranga miisa enina, nilaza ny Facebook fa nanitsakitsaka ny fitsipikany ny votoaty saingy tsy nitsara izany tamin'ny fomba samihafa ireo mpanara maso satria tsy nitatitra izany araka ny tokony izy ireo mpiserasera, na nofafan'ny mpanoratra ny votoaty. Tamin'ny tranga roa hafa, nilaza izy fa tsy ampy ny vaovao teo am-pelantanana mba hamaliana izany.

Manomboka mampihatra ny lalàna ‘Netz DG’ momba ny kabarim-pankahalàna i 

Alemaina

Manamarika ny fanombohan'ny fampiharana tanteraka ny lalàna mampiadihevitra momba ny fanehoan-kevitra manohitra ny fankahalàna Networkdurchsetzungsgesetz, afohezina hoe NetzDG ao Alemaina ny fanombohan'ny taona 2018. Eo ambanin'ny lalàna, tsy maintsy mamaly ny fangatahan'ny governemanta hanaisotra votoaty tsy ara-dalàna —tahaka ny kabarim-pankahalana sy ny lazaina hoe “vaovao faikany”— ao anatin'ny 24 ora nandraisana ny fangatahana ny orinasam-pampahalalam-baovao sosialy. Manana hatramin'ny fito andro ny orinasa mba hijery ny fanesorana ireo fitaovana tsy misy dikany ireo. Ny Facebook, Twitter ary Google / YouTube no ho laharam-pahamehana indrindra amin'ny fampiharana ny lalàna.

Efa mamaritra momba ny kabarim-pankahalana ny fehezan-dalàna heloka bevava ao Alemaina, noho izany, tsy mamorona fepetra na famaritana vaovao ny lalàna. Fa kosa, manery ny orinasa mba hanaisotra ny kabarim-pankahalana na handoa onitra goavana. Mbola tsy nisy lalàna toy izany teo amin'ny sehatra manerantany, ary mety hisy fiantraikany eo amin'ny tontolon'ny lalàna manerantany izany.

Fikarohana vaovao

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.