- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Ny Fomba Nanovan'ny Bilaogy Ny Fiainako

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Marihana fa efa tamin'ny volana Oktobra taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Chinese Blogger Conference 2006 [1]Ho atao ao Hanzhou amin'ity faran'ny herinandro ity ny Fihaonamben'ny Bilaogera Shinoa [1]. Mba hiomanana amin'izany, nanambara fandefasana lahatsoratra momba ny “Fomba nanovan'ny bilaogy ny fiainako?” ireo mpikarakara.

Nodinihin'i Keso ny lahatsoratra ary nanambara ireo lahatsoratra roa tsara indrindra izy omaly [2]. Ireo bilaogera roa, Zola sy Xiao Mei, no nahazo ny loka tapakila roa hidirana amin'ny fihaonambe.

Ka ahoana ary no fomba nanovan'ny bilaogy ny fiainan'izy ireo?

Zola: Novain'ny Bilaogy: Tantaran'ilay bilaogera antsoina amin'ny anaram-bositra hoe Zola [3]

没写Blog之前,认识我的人不会超过1000人。写了几年BLOG后,我估计知道我的名字的人超过了1000人,我也因BLOG认识了许多同龄人和前辈,阅读量大了许多,社交范围也大了许多,Gtalk上的联系人名单都有927人,这927人里有些是向我要过GMAIL邀请的,有些是我在BLOG上公布GTALK联系方式后加上我的,虽然没有多少人找我说话,但我相信,他们中间至少有一半是知道我的名字的人。

Talohan'ny nanoratako bilaogy, olona latsaky ny 1000 no nahafantatra ahy; Taorian'ny taona vitsivitsy nanoratako bilaogy, fantatro fa efa mihoatra ny 1000 ny isa. Tamin'ny alàlan'ny fibilaogina,  nihaona tamin'ireo namana maro be mitovy taona amiko aho, ary koa tamin'ny taranaka teo aloha. Lasa mamaky bilaogy marobe tsy toy ny teo aloha aho, ary niitatra ny fifandraisana ara-tsosialiko.. Ankehitriny, manana fifandraisana 927 ao amin'ny Gtalk aho, ny sasany amin'izy ireo dia namana Gmail, ny sasany nahazo ny fifandraisana gtalk avy amin'ny blaogiko. Na dia tsy maro tamin'izy ireo aza no nanomboka nifampiresaka tamiko, mino aho fa mahafantatra ny anarako ny atsasak'izy ireo farafahakeliny.

Xiao Mei: fiainana bilaogin'ilay bilaogera hosoka:

04年7月底的时候,有了自己第一个blog,依稀记得那是在榕树下的子网站上,在此之前我更热衷于在一些bbs上灌水,我并不太喜欢猫扑和天涯,这上面的人太多,像我那么平凡的注定会被淹没,所以我喜欢一些小但温情的地方。而对blog的第一定义是:自己的一个个人网页。陆续的更新一些内容,自己的情绪,组织的聚会以及自己看到并喜欢的一些文字。那时候的blog对于我来说更像一个杂烩大拼盘,每天的点击量还不错,能够满足我的虚荣心,只是大多是过客,时间久了有点腻…

…05年7月,值得永远记得的日子。我的blog上的朋友,上海的、广州的、南京的、新西兰的…..朋友通过网络、通过blog“勾结”在一起,默默地为我准备了一份特殊的生日礼物。

Tamin'ny Jolay 2004, nanana ny bilaogiko voalohany aho. Ao amin'ny tranonkala fampiantranoana bilaogy ao an-toerana izany. Talohan'izany nahaliana ahy kokoa ny BBS. Na izany aza, tsy tiako ny BBS lehibe toy ny Tianya sy Mop, marobe loatra ny olona ao, ka mety tsy ho tazana mihitsy ny olona antonony tahaka ahy. Tiako ny toerana kely kokoa sy mafana kokoa. Ny fahatakarako voalohany momba ny bilaogy dia ny tranonkala manokana. Nohavaoziko imbetsaka ny votoaty, ny momba ny fahatsapako, sy ny fivoriana ary nizara tamin'ny hafa momba ny asa soratra sasany tiako. Tamin'izany fotoana izany, toy ny korontan-javatra ny bilaogy. Tsy ratsy ny taham-pitsidihana izay afaka manatanteraka ny reharehako. Na izany aza, maro loatra ireo mpandalo fotsiny, rehefa nandeha ny fotoana, nahatsiaro leo aho …

… Jolay 2005, daty iray izay hotsaroako amin'ny fiainako manontolo. Namana tao amin'ny blaogiko: avy any Shanghai, Guangzhou, Nanking, Nouvelle Zélande, sns … miasa mangina amin'ny alalan'ny aterineto izy ireo ary nanomana fanomezana manokana ho ahy tamin'ny tsingerintaona nahaterahako.

Misy lahatsoratra manokana avy amin'i Xin yuan-kang, bilaogera jamba:

Xin yuan-kang: Varavarankely ara-panahin'ny bilaogy ho an'ny maso mainty (tsy mahita) [4]

今年初,听朋友们说,时下网络上流行写博客。人人都可以通过博客记录下自己的所思所想,曾经或是此时此刻的心情和情感。与他人共同分享你的喜怒哀乐。这道是个让人眼前一亮的好消息。这种形式对我来说,应该是再适合不过了。我甚至想好了自己要在博客上发表的第一篇文章的题目。就叫“给心灵开一扇小窗”。…

…在我坚持写博客的这半年中,虽然觉得它对我的小店的宣传并没起到多大的作用,应该说,这也是在我预料之中的事情。因为看我的博客,并且喜欢做推拿的朋友,并不一定都和我生活在同一所城市。但是,我们的客户,看过我的博客之后,都对我们的按摩医生说:“看了你们的博克,感觉到你们是那样的热爱生活,对生活充满信心。这一点,让我们感到十分敬佩。”。

Tany am-piandohan'ity taona ity, nandre tamin'ny namako aho fa malaza be amin'ny aterineto ny famahanana bilaogy, afaka manoratra ny fahatsapany sy ny hevitra ao amin'ny bilaogy ny tsirairay. Mizara fihetseham-po tamin'ny lasa sy amin'izao fotoana izao. Nanazava ny masoko ity vaovao mahafaly ity. Tena mety amiko izany. Nanana hevitra momba ny lahatsoratro voalohany aho: “manokatra varavarankely ho an'ny saiko” …

… Efa nanoratra nandritra ny tapa-taona aho, na dia tsy tena manampy ny fihariako madinika aza izany, raha ny marina, efa nandrasako izany. Satria ho an'ireo izay mamaky ny bilaogiko na ireo namako izay mankafy otra, tsy voatery mijanona ao an-tanànako izy ireo. Na dia izany aza, ny sasany tamin'ireo mpanjifanay, rehefa avy namaky ny blaogiko, dia nilaza tamin'ireo mpitsabo mpanotra ato aminay fa: “Rehefa avy mamaky ny bilaoginao, dia manana fahatsapana aho fa tena mankafy fiainana ianao, matoky ny fiainana. Mahatsiaro tena voahaja aho.

Ny lahatsoratra hafa rehefa dia azo jerena ao amin'ny takelaka fanehoan-kevitra ao amin'ny fanambarana [5] (zh).