Tantara tamin'ny 15 Janoary 2018
Mifaninana Hahazo Mpandeha Ny Taksy Mavo Ao Amman Rehefa Tonga Ny Uber Sy Ny Careem
Tena misy ny ady ho an'ny mpandeha ho an'ny mpamily taksy mavo . Raha tsy nisy afa-tsy izy ireo no safidy tamin'ny fitateram-bahoaka tsy miankina hatramin'izay dia tototry ny fifaninanana vaovao izy ireo ankehitriny.
Manery ny Antokon'ny Fitondrana ao Ethiopia Ny Fitomboan-Dazan'ny Mpanohitra
Taonan'ny Fikambanana Demokratim-bahoakan'i Oromo (OPDO) ny taona 2007. Afaka nanozongozona ny marika saribakoly ny OPDO ary hita ankehitriny fa maneho hevitra eo amin'ny politikan'i #Ethiopia.
Atahorana Hikatona Ny Anjerimanontolon'i Pôrtô Rikô Taorian'ny Fandalovan'ireo Rivodoza Irma Sy María
Ampy tsara ho an'ny governemanta sy ny mpitantana ny anjerimanontolo ny zavamisy mba hanohizana ny fanomezana ny fahafahana miditra amin'ny fianarana ambony sy ny UPR ho an'ny tsy miankina.
Goiana: Akon Indray
Nanao ny fanaony indray i Akon - namorona resabe tao Karaiba. Tamin'ity indray mitoraka ity, i Goiana no toerana nosafidiany. ireo blaogera Goiane no nandika an'ity fisafoakan'i Akon ity ho toy ny fampisehoana ny tsy fitiavana mifangaro aman'olona ananan'ilay mpihira
Timor Atsinanana : “Andro Mahafalin'ny” Fifidianana Malalaka
Nankalaza ny tsingerin-taona faha-10n'ilay fitsapankevi-bahoaka izay nitarika ho amin'ny fahaleovantena ara-dalànan'ny faritra ireo Timore mpitoraka bilaogy. Ny sasany mahatsiaro ilay " andro mahafaly", ny hafa mampatsiahy ny fahavononany handroaka ireo tafika indoneziana mpibodo, ary ankehitriny misy ireo mampiasa ilay andro hametraham-panontaniana ny fotoana any Timor amin'izao fotoana izao.