- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Feo Avy Ao Azia Atsimo

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Bhutan, India, Nepal, Pakistana, Sri Lanka, Fahalalahàna miteny, Fampandrosoana, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana, Zon'olombelona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Oktobra taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Bangladesh:

-Inona no ilain'i Bangladesh ankehitriny ho an'ny hoavy tsara kokoa? Angelmorn [1] manana teboka folo momba izany.

- Rifat avy ao amin'ny Close your eyes and try to see [akipio ny masonao dia ezaho ny mijery azy] mitsikera [2] ny fandotoana ara-peo ao Bangladesh, indrindra amin'ny fampiasana fanamafisam-peo.

-Mampahafantatra i Shafiur ao amin'ny imperfect world | 2006 fa maro amin'ireo vokatra manana marika malaza (Lamba, kojakoja fakantsary, Fitaovana filalaovana Golf, Kojakoja Finday sy Kojakoja Fiara) no amboarina ankehitriny [3]ao Bangladesh.

-Ho an'ireo izay te ahalala bebe kokoa momba ny Banky Grameen, ilay nandresy tamin'ny loka Nobel-n'ny Fandriampahalemana 2006 sy ny mpanorina azy, Dr. Muhammad Yunus, manana sary ‘Indray andro tao amin'ny Banky Grameen’ [4] i Drishtipat.

Bhutan

- Kuensel online nitatitra [5] fa hanatontosa ny fifidianany ankapobeny voalohany amin'ny taona 2008 i Bhutan. Nanolo-kevitra ny Vaomieram-pifidianana fa ny fepetra farany ambany indrindra ho an'ny mpikambana ao amin'ny Parlemanta (MPs) dia ny fananana Baka (bacc)

- Norbu ao amin'ny bilaogy Kuzu-Bhutan nizara [6] ny ahiahiny momba ny demaokrasia ho avy.

India:

- Rimi nizara ny traikefany [7] momba ny fitateram-bahoaka ao Calcutta.

- Dilip D'Souza ao amin'ny Death Ends Fun nanome tsiny [8] ny politika momba ny fizarana IFA (asidra vy sy folika) ho an'ny vehivavy anaemika (tsy ampy ra) ao India.

Maldiva:

- Razib Ahmed ao amin'ny South Asia Biz nitatitra [9] fa hanana fahitalavitra sy radio tsy miankina manokana i Maldiva atsy ho atsy.

Nepal:

- Bilaogera Nepal nitsikera [10] ireo mpiasan'ny kaominina ao Nepal afovoany-andrefana izay nanapoizina ireo alika mirenireny .

Pakistan:

- Onlooker ao amin'ny Glasshouse mamaritra [11] ny toe-draharaha farany ao Balochistan, fanjakana mikorontana ao Pakistan.

- Adil Najam ao amin'ny All things Pakistan mitatitra [12] ny fomba himamoan'ny cricket sy ny Islamo fifandirana an'i Pakistan.

Sri Lanka:

- Dhammikad ao amin'ny Bilaogy Moju mampahafantatra [13] fa afaka manarama mpiady ao Sri Lanka amin'ny karama latsaky ny Rs. 100.000 Sri Lankey ny tsirairay.

- Muffee ao amin'ny Voices in my head nandefa [14] sary ny kanto Henna teo an-tanany izay ampiharina araka ny fomban-drazana mandritra ny fankalazana ny Eid.