- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitsidihanana Ny Bilaogy Kenyana

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

-Zavatra voalohany indrindra. Vao haingana ny blaogy Keniana WebRing no  nankalaza ny tsingerintaonany voalohany ary nahatratra mpikambana 100. [1] Ao anatin'ny fandaharam-potoana ny fiarahabana. Ireto misy sombintsombiny momba ny fikambanana mahagaga izay tsy iza fa ny Kenya Unlimited [2].

- Bankelele indray manome vaovao mahasoa mikasika ny fividianana petra-bola ao amin'ny tsenam-bola Keniana. [3]
avy aty ivelan'i Kenya. Bala sy Tantely Afrikana

-Ao anatin'ny fitadiavana asa ve ianao ary leon'ny fandavàna an-taratasy mahazatra? Wg-K manome soratra hafa (sy manala azy) [4]

- Nahoana no nandefa bilaogy ny akoho? Tsindrio eto raha te hahafantatra [5]…mampikakakaka.

- Guessaurus indray mizara amintsika ny fifandraisany ara-pitiavana amin'ny torimaso [6].

-Mahatonga ny MMK handinika indray ny safidiny momba ny asa ny diany mankany Monaco [7].

- AfroFeminista te hihinana fotsiny ny fritiny am-pilaminana [8].

- Haidhuru manana lahatsoratra mahafinaritra izay azo antoka fa hanako eo amin'ny “diaspora” mpila ravinahitra…”Fantatrao fa tao amin'ny Etazonia ela loatra ianao raha…. [9]

– Manjaka amin'ny vaovao ny fitsapa-kevi-bahoaka ny lalàmpanorenana atsy ho atsy [10] any Kenya. Indrisy fa miatrika ny safidin'i Hobson ny Keniana ary nanjary fahafahana ho an'ireo mpanao politika Kenyana mba hitondra ny fandrendreham-bahoaka mahazatra azy ireo amin'ny ambaratonga vaovao [11]izany. Echawawa kosa maneho ny tsy fankasitrahany [12] ny cirque (fampisehoana mampihomehy) misy ankehitriny.