- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

RDC, Belzika: Fihetsiketsehana Manohitra an'i Kabila

Sokajy: Afrika Mainty, Belzika, R.D. Kongo, Fanoherana, Fifidianana, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Oktobra taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)congodemo [1]
Kongoley nanao fihetsiketsehana tao Bruxelles. Sary avy amin'i Etienne Ngandu [1]..

Ho fialohavana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ho atao amin'ny alahady 29 oktobra ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo, izay ahitana an'ireo mpifanandrina: Jean-Pierre Bemba sy Joseph Kabila, nisy fihetsiketsehana natao tany Bruxelles, Belzika tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo ho fanohanana an'i Bemba saingy indrindra indrindra ho fanoherana an'i Kabila.

Manoratra [2] ny UDPS Liege, bilaogin'ny antoko mpanohitra any Belzika – izay tsy nety nandray anjara tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ity taona ity ny mpitarika azy, Etienne Tshisekedi:

Les congolais de Bruxelles dans une détermination implacable ont encore perturbé la circulation à Bruxelles pour apporter leur soutien aux élections apaisées en RDC.

Malgré leurs positions divergentes,ils se sont mobilisé pour rester en communion avec le Congo profond par les actions de la rue en apportant leur soutien au candidat de l'UN JPB GOMBO aux élections présidentielles qui auront lieu le 29/10/2006 au CONGO.

Hier si les congolais pouvaient voter,c'est le candidat JPB GOMBO qui allait sortir vainqueur parmi tous les congolais habitant le royaume de Belgique. Mais par mauvaise stratégie d'éliminer les sympathisants de l'UDPS à l'étranger voila que JPB GOMBO vient de se priver aussi d'un électorat favorable à la cause nationale face l'imposteur KANAMBE.

Mbola nampihitsoka ny fifamoivoizana indray tao Bruxelles ny Kongoley any Bruxelles ao anatin'ny fahavononana tsy hay tohaina mba hanohana ny fifidianana tony ao amin'ny DRC [Repoblika Demaokratikan'i Congo].

Na dia eo aza ny fomba fijery samihafa eo amin'izy ireo, nanentana ny hijanona miaraka amin'i Kongo ry zareo amin'ny alalan'ny fidinana an-dalambe mba hanohana ny kandidà [antoko politika] UN, JPB GOMBO [Jean-Pierre Bemba] amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho atao amin'ny 10/29/2006 any Congo.

Omaly, raha afaka nifidy ny Kongoley any Belzika, dia nifidy an'i Bemba. Saingy noho ny tetikady diso hevitra mikendry  hanaisotra ireo mpanohana ny UDPS any ivelany, nesorina tamin'i Bemba koa ireo mpifidy mpanohana ny hetsi-pirenena manohitra ny mpisoloky Kanambe [a.k.a Joseph Kabila]

Etienne Ngandu ao amin'ny Le Renouveau Congolais nanampy hoe [1]:

Des centaines de Congolais de Belgique et des environs sont descendus nombreux sur les rues de Bruxelles pour dénonnoncer l'Humiliation de notre peuple par l'imposteur Kabila placé au pouvoir pour affamer et tuer les Congolais il a fait preuve de sa criminalité les 20, 21 et 22 août 06.

Pour les manifestants, c'était l'occasion de donner un consigne clair aux parents et amis restés au pays de ne pas voter pour kabila si non ils vont se mordre les doigts, la misère va s'accentuer, il y aura beaucoup de tueries organisées par le pouvoir de Kabila, ils disent avoir plusieurs preuves que Kabila n'est pas Congolais.

Kongoley an-jatony avy any Belzika sy ny manodidina no nidina marobe teny an-dalamben'i Bruxelles mba hanameloka ny Fanalam-barakan'ny vahoakanay amin'ny alàlan'ny mpisoloky [Joseph] Kabila izay napetraka teo amin'ny fahefana mba hampahantra sy hamono ny Kongoley. Noporofoiny ny heloka bevavany tamin'ny 20 sy 21 sy 22 aogositra 2006.

Ho an'ny mpanao fihetsiketsehana, fahafahana manome famantarana mazava ho an'ireo havana sy namana any Congo mba tsy hifidy an'i Kabila izany raha tsy hoe efa vonona ny hijaly sy hahantra hatrany izy ireo. Raha manao izany izy ireo, dia mbola afaka manantena ny fitomboan'ny famonoan'olona ataon'ny fitondrana Kabila ihany koa. Milaza izy ireo fa manana porofo marobe fa tsy Kongoley i Kabila.