- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona No Mitranga Ao amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Kenyana

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)Market Sary tany amin'ny Haidhuru [1]

- Nambara vao haingana [2] ny tetibola Keniana ka naneho hevitra momba izany ny tontolon'ny bilaogy Keniana. Nanamarika Ramatoa K fa na dia tsy manam-pahaizana momba ny teti-bola aza izy, hatraminy “nisian'ny Trano manontolo-feno an'i Jack / Jill Arses izay nanatrika ny zava-drehetra. Hitako fa raha ny tombatombana, azoko atao tsara ny miresaka momba ny tetibola tahaka azy ireo! [3]” Ah … ny hatsaran'ny bilaogy … manome fahafahana ho an'ny olona mba hanome fomba fijery hafa (tena ilaina). Bankelele kosa manasongadina ireo fiovana lehibe [4].

- Milaza ny governemanta Keniana fa mikasa handràra ny fifohana sigara eny amin'ny toeram-bahoaka izy, anisan'izany ny, “toerana fisotroana toaka, fiangonana sy ny kianjan'ny fanatanjahantena.” araka ny tatitra iray. Fiangonana? “Iza no mifoka sigara any am-piangonana? [5]” hoy i Mama Junkyard  [6]manontany.

- Bankelele indray miresaka momba ny tranonkala voalohany momba ny fifidianana ao Kenya [7].

- Thinker manadihady ny tantara mitohy [8].

- Nicholas Gichu kosa mampahafantatra antsika izay ataony [9]. Manomboka amin'ny andro izay “fanaovam-beloma ny hatsiaka mamirifiry sy fiarahabana ny ngoly na dia mitafy toy ny Rosiana sasany mandritra ny ririnina bila (tsy misy) vodosky aza!”

- Milaza i Karoki fa fotoana hanaovana kanto vaovao ao Kenya [10] izao. Miombon-kevitra amin'izany  [11]i Ng'ethu Star. Maneho ny fahatsapana fahadisoam-panantenana amin'ny toe-draharaha any Kenya, manoratra ny heviny momba ny Taratasin'i Tupac ho an'ny Filoha [12] (fiteny manafintohina) i Udi.

- Wassapangaz manome fitokisana ho an'ilay bilaogera [13]. Ditto Lidia [14].

- Martin Kimani miresaka momba an'i Putin sy ny “kanibalisma Afrikanina” [15].

- Haidhuru miresaka momba ny fitsabahan'ny tenindrazana [16]. P.S.kosa mijery ny ambin'ny biloagy misy sary mahafinaritra ahitana ny fiainana andavanandro ao Kenya.