(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy) Sary tany amin'ny Haidhuru
- Nambara vao haingana ny tetibola Keniana ka naneho hevitra momba izany ny tontolon'ny bilaogy Keniana. Nanamarika Ramatoa K fa na dia tsy manam-pahaizana momba ny teti-bola aza izy, hatraminy “nisian'ny Trano manontolo-feno an'i Jack / Jill Arses izay nanatrika ny zava-drehetra. Hitako fa raha ny tombatombana, azoko atao tsara ny miresaka momba ny tetibola tahaka azy ireo!” Ah … ny hatsaran'ny bilaogy … manome fahafahana ho an'ny olona mba hanome fomba fijery hafa (tena ilaina). Bankelele kosa manasongadina ireo fiovana lehibe.
- Milaza ny governemanta Keniana fa mikasa handràra ny fifohana sigara eny amin'ny toeram-bahoaka izy, anisan'izany ny, “toerana fisotroana toaka, fiangonana sy ny kianjan'ny fanatanjahantena.” araka ny tatitra iray. Fiangonana? “Iza no mifoka sigara any am-piangonana?” hoy i Mama Junkyard manontany.
- Bankelele indray miresaka momba ny tranonkala voalohany momba ny fifidianana ao Kenya.
- Thinker manadihady ny tantara mitohy.
- Nicholas Gichu kosa mampahafantatra antsika izay ataony. Manomboka amin'ny andro izay “fanaovam-beloma ny hatsiaka mamirifiry sy fiarahabana ny ngoly na dia mitafy toy ny Rosiana sasany mandritra ny ririnina bila (tsy misy) vodosky aza!”
- Milaza i Karoki fa fotoana hanaovana kanto vaovao ao Kenya izao. Miombon-kevitra amin'izany i Ng'ethu Star. Maneho ny fahatsapana fahadisoam-panantenana amin'ny toe-draharaha any Kenya, manoratra ny heviny momba ny Taratasin'i Tupac ho an'ny Filoha (fiteny manafintohina) i Udi.
- Wassapangaz manome fitokisana ho an'ilay bilaogera. Ditto Lidia.
- Martin Kimani miresaka momba an'i Putin sy ny “kanibalisma Afrikanina”.
- Haidhuru miresaka momba ny fitsabahan'ny tenindrazana. P.S.kosa mijery ny ambin'ny biloagy misy sary mahafinaritra ahitana ny fiainana andavanandro ao Kenya.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...