- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niteraka Hetsi-panoherana ao Iran Ny Volavolan-Tetibola

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Mpanao hetsi-panoherana nivory tao Teheran tamin'ny 1 Janoary mba hanoherana ny fahantran'ny toe-karena. Sary avy amin'ny IRNA news, nahazoana alalana..

Ity lahatsoratra ity dia niara-navoaka tao amin'ny tranonkalan'ny Arseh Sevom [1], fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana ary mampiroborobo ny fandriampahalemana, ny demaokrasia sy ny zon'olombelona ho an'ny vondrom-piarahamonina Persiana.

Ao anatin'ny fihetsiketsehana ao amin'ny Repoblika Islamika ao Iran ny tolo-kevitra momba ny tetibola izay heverin'ireo mpiasa sy tokantrano sahirana marobe fa tsy mijery ny filàn'izy ireo.

Nanomboka ny hetsi-panoherana ny volavolan-teti-bola raha vao nampahafantarina tamin'ny 10 Desambra izany. Mpampianatra, mpamily fiara fitateram-bahoaka, sendikà sy olona misotro ronono no anisan'ireo voalohany nidina an-dalambe teo anoloan'ny parlemanta.

Sambany niara-navoaka ny volavolan-dalàna momba ny tetibola manontolo. “Tamin'ny famoahana ny teti-bola manontolo indray mandeha,” mpanao gazety, Mostafa Khosravi nilaza tamin'ny Global Voices fa ” miharihary kokoa ny kolikoly ao anatin'ny rafitra.”

Misy ny  fanontaniana mikasika ny famatsiam-bola mankany amin'ny fikambanana ara-pivavahana sy ara-kolotsaina izay tsy misy mangarahara sy fandraisana andraikitra. Maro amin'ireo fikambanana ireo no tsy fantatry ny maro ao Iran.

Folo andro talohan'ny nipoahan'ny hetsi-panoherana tao avaratra-atsinanana tao an-tanànan'i Mashad, efa naneho ny hatezeran'izy ireo tamin'ny volavolan-dalàna momba ny tetibola ireo mpanao fihetsiketsehana. Tao amin'ny Telegram, fampiharana fizarana hafatra, nizara ny traikefany nandeha miafina tsy an-kiteny tao anatin'ny olona manao fihetsiketsehana teo anoloan'ny tranoben'ny parlemanta ny mpikambana iray ao amin'ny parlemanta,  [2]Mohammad Taghi Akbarnejad [2] :

در این حین بود که خانم ۵۵-۶۰ ساله ای که از سر و وضعش پیدا بود که هنوز از خودش نا امید نیست، با تندی جلو آمد و پرسید: شما نماینده مجلسید؟ گفتم: نخیر. بنده هم مثل شما مراجعه کننده هستم! گفت: آقا شما را به خدا اگر دستتان می رسد به اینها بگویید: من غلط کردم رفتم آموزش و پرورش. من گداخانه رفتم! به آقای خامنه ای بگویید به رئیس جمهور بگویید به هر کسی که دستتان می رسد بگویید ما واقعا بریده ایم. ما این انقلاب را نمی خواهیم. ما از شما آخوندها متنفریم!… زن ۶۰ ساله ای در دو قدمی من با یک آرامش آکنده به غروری گفت: حاج آقا عبا قبایتان را بذارید توی صندوقچه، مردم به خونتان تشنه اند!!! من به روی خودم نیاوردم. با آرامش به حرف ها گوش می دادم و ابراز همدردی می کردم.

Tao anivon'ny fihetsiketsehana aho, ary nisy vehivavy iray teo amin'ny 50 taona nanatona ahy ary nanontany hoe: ‘Solombavambahoaka ve ianao?’ Namaly aho hoe: ‘Eto aho tahaka anao.’ Hoy izy tamiko, ‘raha afaka mankany amin'ny parlemanta ianao, lazao azy ireo fa nanao fahadisoana aho raha lasa mpampianatra. Navadikareo ho mpangataka avokoa ny rehetra. Azafady mba lazao an'i Khamenei, lazao amin'ny filoha, lazao amin'ny rehetra, lazao azy ireo fa diso fanantenana izahay. Tsy mila an'ity revolisiona ity izahay. Halanay ireo mpitondra fivavahana. ‘

Avy eo, vehivavy iray teo amin'ny 60 taona nanatona ahy tamim-pahatoniana ary nilaza tamiko mba hanafina ny akanjoko ara-pivavahana. ‘Mangetaheta ny rànao ny olona !!!’

Tsy nandray izany manokana aho, fa niezaka naneho firaisankina.

Ho an'ny maro, mampanantena hanalemy kokoa ny fepetra ara-toekarena efa marefo ny volavolan-tetibola.

Ny politika ivelany ao Iran no tena ifantohan'ny hatezerana. Tezitra mafy ny mpanao hetsi-panoherana fa nalefa hanohanana ny ady ao Syria sy Yemen ny vola. Iray amin'ireo hiaka heno tamin'ny fihetsiketsehana teo aloha sy tamin'ity ny hoe: “Tsy i Gaza ary tsy i Libanona, omeko an'i Iran irery ihany ny aiko.”

Raha mandany ny fiakaran'ny vidin-tsolika ny parlemanta, hiakatra be ihany koa ny famatsiam-bola horaisin'ny Mpiambina Revolisionera: hiakatra 120%. Ny tetibolan'ny milisy, ny Basij ao Iran dia saika mitovy amin'ny miaramila mahazatra. Fanampin'izany, afenina tanteraka amin'ny vahoaka ny teti-bolan'ny Tafika Quds [3] (elatra miafin'ny mpiambina revolisionera Iraniana sy mavitrika ao Syria).

“Ny kolikoly no tena toherin'ny vahoaka,” hoy i Pezhman Tavahori, mpanao famakafakana sy mpanao gazety tamin'ny resadresaka. “Mahatsapa ny olona fa hampihena ny fahantrana ny famaranana ny kolikoly.”

Iray amin'ny tanjon'ny governemanta Iraniana ny hampielezana ny Islamo Shiita any amin'ny faritra. Asa goavana izany, eo amin'ny resaka aina sy vola. Nanoratra tao amin'ny Buzzfeed [4] i Borzou Daraghi, mpanao gazety:

Ever since the US invasion of Iraq in 2003, Iran — a Shiite state — has had its eyes on its Shiite-majority neighbor, intent on taking over the levers of power, commerce, and the military. But this is just one part of Iran’s wider goal: to establish territorial dominance from the Gulf of Aden to the shores of the Mediterranean.

Hatramin'ny nanafihan'i Etazonia an'i Iràka tamin'ny taona 2003, nijery ny mpifanolo-bodirindrina maro an'isa Shiita i Iran – fanjakana Shiita -mikasa haka ny herin'ny fahefana, ny varotra ary ny miaramila. Saingy ity no ampahany amin'ny tanjona lehibe an'i Iran: hametraka fizakam-paritra avy any amin'ny Hoalan'i Aden ka hatrany amoron'ny Ranomasina Mediteranea.

Afaka mandà ny tanjona politika ivelany ve ny Mpitarika Faratampon'i Iran, mba hiadiana amin'ny tsy fitoviana amin'ny fidiram-bola sy ny fijaliana ara-bola? Tsy mino izany i Tavahori:

The current demonstrations may be suppressed, but the anger won’t end. I don’t think the Supreme Leader will give up this policy. Poverty and corruption will continue and before long people will be back on the streets

Mety hanjavona ny fihetsiketsehana ankehitriny, saingy tsy hifarana ny fahatezerana. Tsy mino aho fa hamoy ity politika ity ny Mpitarika Faratampony. Hitohy ny fahantrana sy ny kolikoly ary mbola ho ela, hiverina eny an-dalambe ny olona