Nandrehitra Fahatezerana Tao Ozbekistan ny Fitombenan'i Robbie Williams

Robbie Williams, Nalain'i MariaAndronic tao amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0)
Fiaraha-miasa amin'ny EurasiaNet.org ity lahatsoratra ity. Nahazoana alàlana ny famoahana azy eto indray.
Nitarika hatezerana goavana tamin'ny aterineto ao Ozbekistan ny nanondroan'ilay mpihira pop britanika Ronnie Williams fitombenany nandritra ny fampisehoana nataony tao an-drenivohitra, Tachkent.
Misy ireo izay tsy tohina tamin'ny fihetsik'ity mpanakanto ity, nandritra izay dia teo ihany koa ireo izay nalahelo noho ny fiakaran'ny vidin'ny tapakila amin'ny fampisehoana tamin'ny 15 Desambra.
Zava-tsy fahita ho an'i Ozbekistan ny fampisehoan'i William, izay nokarakarain'i Alisher Usmanov ilay Ozbeka-Rosianina miliaridera sy mpiara-tompon'ny klioban'ny baolina kitra londoniana. Mahalana ireo artista malaza tandrefana no tonga any Ozbekistan, ary nanao izany ireo mety hisy fiantraikany amin'ny lazany izay nandeha tany taloha. Toa mikendry hampisehoana ny fisokafan'ny firenena hatramin'ny nahafatesan'i Islam Karimov, Filoha tsirefesimandidy, tamin'ny herintaona ilay fampisehoana.
Natombok'i Williams tamin'ny fiakarana an-tsehatra niaraka tamin'ny khalat, karazana raoby Ozbeka, ny fampisehoana sady nanolotra ny tenany tamin'ny alalan'ilay fomba tsy manaja izy.
“Io ny tarika-ko”, ho izay sady nanondro tany aorianan'ny sehatra izy.
“[Ary] ito kosa ny fitombenako”, hoy izy nanampy sady niodina sy nampiakatra ny akanjony izy mba ampiseho ny atin'akanjony “ Izao alina izao, ahy ny fitombenanao “ hoy izy namarana ny teniny, izay nitarika hatezerana mifangaro hehy.
Ankatoavina — mba tsy hitenenana hoe ampirisihana — ny fihetsika mampiseho fitombenana any amin'ny faritany anglisy fihavian'i Williams izay manao izany amin'ny fisehosehoana hogartiniana, nefa diso lalana ny fanaovana izany ao Ozbekistan.
Nanao fiantsoana avy hatrany ireo mpisera media sosialy taorian'ny fampisehoana mba hanao fanentanana hanesorana hatramin'ny fakany ny fitarihan'ny vahiny izay mitondra toetsaina hafahafa.
“Tokony sivanintsika ny kolotsaina tandrefana miditra eto amitsika, raha azo antsoina akory hoe kolotsaina aza izany!” hoy ny trerotreron'i Saiyora Hodjayeva.
Lasa lavitra kokoa i Mukimjon Halmatov ary nanolo-kevitra fa mety mitarika an'i Ozbekistan ho any amin'ny onjam-pandringanana ilay fampisehoana izay nampifandraisiny tamin'ny famelezan'ny aretina sy ny fampihorohoroana.
“Ny olona sasany nitondra aretin-kisoa, ny sasany kosa nitondra SIDA sy aretina [ISIS]. Tadavin'izy ireo hamindrana ny aretin'ny demaokrasia ankehitriny i Ozbekistan. Izany indrindra no nitondrana an'i Robbie aty”, nosoratan'ny Halmatov, tsy nahitana endrika esoeso velively.
Na dia mety ho tafahoatra aza ireo hevitra ireo, dia mazava fa tsy nolanjalanjain'i Williams tsara ny fihetsiny ary tsy nanao izay tokony natao akory aza izy.
Fiaraha-monina mitàna fomban-drazana i Ozbekistan ary tsindraindray ny manampahefana te-hitarika mankany amin'izany fomba fijery izany hanoherana ireo heverina ho karazan'aretin'ny zavatra avy any ivelany nampidirina toy ny hip-hop. Ary nisy tamin'ireo mpanakanto malaza eo an-toerana no niharan'ny fanaraha-maso ara-maoraly noho ny fanatontosana zavatra heverina fa feno fahavetavetana loatra.
Nolazain'i Kamariddin Shaikhov, izay tonia ao amin'ny tranonkalam-baovao malaza amin'ny fiteny ozbeka Qalampir.uz; fa feno hafatra milaza fahatafintohinana tamin'ny tohin'ny fampisehoana nataon'i William ny sata navoakany.
“Toa hafahafa ny niakaran'ilay mpihira teo an-tsehatra anaty raoby fa tsy nanao pataloha” hoy i Shaikhov. Nampiseho tsy fanajana ny kolotsainantsika izy tamin'ny nanasondrotany ny akanjony sy ny nampisehoany ny fitombenanany tamin'ny olona nanatrika teo. Fa inona izany, famantarana ny fanabeazana azony ve? Izany ve no antsoinareo hoe manaja ny vahoaka Ozbeka? “
Na dia izany aza, sarotra ho an'ny Ozbeka amin'ny ankapobeny ny hahatakatra ny vidim-pidirana hijerena fampisehoana, namidy tamin'ny vidiny mampivandravandra $190 hatramin'ny $225 ny tapakila iray. Kanefa manodidina ny $125 ny karaman'ny Ozbeka iray isam-bolana amin'ny fomba ofisialy.
Na izany ary, dia hipoka tanteraka ny efitrano fampisehoana.
Mbola niaro azy ihany ireo mpankafy an'i William na dia teo aza ireo trerona noho ny fampisehoana fitombenana. Ny sandan'ny vidim-pidirana no nahasorena azy ireo.
I Zarina Ubaidullayeva, mponina ao Tashkent sady mpankafy ilay mpanakanto britanika, nilaza fa nitarina ny hatezerana.
“Sangisangy fotsiny iny. Tsy toy ny hoe nihazakazaka niboridana teny ambony sehatra izy. Tsy misy antony tokony hitsarana azy mafy toy izany” hoy i Ubaidullayeva tao amin'ny EurasiaNet.org. “Saingy nisy ihany koa ny fahalafosan'ny tapakila, izay midika fa tsy manana fahafahana hanatrika ilay fampisehoana aho. Satria nanohana ara-bola izany i Usmanov, dia tokony natao maimaim-poana ny fampisehoana na farafaharatsiny natao vidiny mirary.”
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...