- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina : Fifandonana Manodidina Ny Famokarana Herinaratra

Sokajy: Shina, Fampandrosoana, Fanoherana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Tontolo_iainana, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2009)

Ny 31 Desambra 2008, nivory ny mponin'ny Zaridainan'i Junjing ao Guangzhou [1] (Canton) hanoherana ny fanorenana toby iray famokarana herinaratra ao atsimon'io toeram-ponenana io. Araky ny Feon'ny Fanantenana , olona 24 no voasambotra ny ampitson'iny, ao anatin'izany ankizy roa (anatin'ny taona fandehanana any an-tsekoly ambaratonga voalohany) nitondra sora-baventy nandritra ny hetsika.

Efa vitan'ireo mponina ny nampiato ny fanamboarana io toby be io indray mandeha, roa taona lasa, fa nanapaka hevitra ny hamerina ny tetikasa ireo manampahefana, milaza fa amin'ny ambaratonga azo ekena ny sahan'andriamby ho ateraky ny herinaratra. Fa tsy inoan'ny mponina ireo isa sy fanazavana nomen'ny mpitantana ary kianin-dry zareo any anatin'ilay  toerampiresahana Junjing [amin'ny shinoa] ireo media goavana noho ny tsy fanana'izy ireo fijery tsy mitanila :

Namaly ny lahatsoratrin'ny Southern Metropolis [2] [amin'ny anglisy], nanambara i aaaznh: [3]

封锁媒体,欺上瞒下合不合法?北京中科院科学家都反对把变电站建小区,谁才是真正的专家?电力专家就是为利益服务的华南虎专家,周围有大量的空地为什么不建?早就规划了为什么还要让周围建学校和居民楼?

Ara-dalàna ve ny mibahana gazety ary mamitaka ireo manampahefana ambony indrindra sy ireo olontsotra? Na ireo mpahay siansa ao amin'ny Akademian'ny siansa ao Pekin aza nanohitra ny fanamboarana ilay famokarana herinaratra ao amin'ny distrika dia  ianareo ankehitriny no hanonona manampahaizana, iza no tena manampahaizana? Manompo tombontsoa manokana ny manampahaizan'ilay famokarana herinaratra, toy ireo manampahaizana tamin'ny tantara ratsy momba ny sarin'ny tigra [4] [amin'ny anglisy]. Misy toerana betsaka ao amin'ny faritra, maninona no tena misisika mafy ry zareo hoe eny akaikin'ny sekoly sy toeramponenana no hanorenana ilay toby  famokarana herinaratra?

Manipika i Ajuns:

ZF见隐瞒不住了,开始利用媒体做单方的宣传攻势了,大家想办法把事情真相告诉市民。要充分利用网络报导后面的跟贴,将现场图片联接告诉市民。

Tsy afaka afenin'ny manampahefana intsony ilay izy, ka manomboka mampiasa ny mpampahalala vaovao izy mba hanaovana fampielezankevitra mirona, tsy maintsy mitady fomba isika amin'ny fampiasana aterineto hitenenana ny marina amin'ireo olona, amin'ny famoahana fanafihadiana sy sary mba hampahafantaraina ny zava-mitranga.

Nanampy i qinf2:

失真报道,是什么原因让他们这样的报道呢。为什么不到群众中来,骏景大部分都是外地人,绝大部分都是受过高等教育的人,这样的一群人的分辨力绝对不低。造成知识分子忍无可忍的原因为什么不报道出来。订这样的报纸有何用。

Inona ny fanazavana ny tatitra mitanila kely tahaka izany? Maninona no tsy tonga manantona ny olona aty ny mpanao gazety? Ao Junjing, betsaka ny mponina no avy any ivelan'ny faritany, ary betsaka no manana ambaratongam-pahalalàna ambony, fantany ny mety sy ny tsy mety. Maninona no tsy tenenin'izy ireo ny antony mahatonga ireo olona nahita fianarana ireo midina eny an-dalana manao hetsika? Inona no ilàna an'ireo gazety ireo?

Namoaka an'ito sary ito i “Mahantra aho ary tsy tena matahotra” mba hilazany ny fahatsapany:

Tena akaikin'ny toeramponenana ny toerana misy ilay toby  famokarana herinaratra, tahaky ny asehon'ny sary ito ambany ito, izay ahafahana koa mahita  ny sorabaventy manohitra mihantona eny amin'ireo trano lehibe:

Nanomboka ny 30 Desambra 2008 io tantara vaovao momba ny fifandonana eo amin'ny mponin'ilay faritra sy ny polisy io, rehefa nisy polisy marobe tonga tao an-toerana mba hanokafana indray ny toeram-panamboarana  ilay toby  famokarana herinatra :

Ho fanoherana an'izay hetsiky maherin'ireo manampahefana izay, nanapaka hevitra ny hikarakara fivoriana hivavahana ho an'ny fahasalaman'ireo zanany ny mponina tao an-toerana, ny alin'ny taombaovao :

Betsaka ny polisy niditra an-tsehatra ary nisy ny fifandonana :

Tohin'ny fisamborana nataon'ny polisy an'ireo mpanao fihetsiketsehana niisa 24, mbola nisy fivoriana na “diabe” (fihetsehana) hafa nandritra ireo andro vitsivitsy farany teo. Ito lahatsary ito afaka ahitana ny fivoriana tamin'ny 3 Janoary 2009, izay ahitana ny mponina nangataka ny famotsorana ireo mpanao fihetsiketsehana nosamborin'ny polisy :

Mba hahafahana manohy ny hetsipanoherana,  niresaka momba ny tetika vaovao ho fanoherana teo amin'ny toeram-piresahana [amin'ny teby shinoa] ireo mponina manodidina ilay toby famokarana herinaratra ho atsangana  :

Nandroso sosokevitra ny tsy handoavana intsony ny saram-panofàna i Moonlight [5]:

出来散步也有几天了,心情真的很激动,感觉又回到了大学的时候,不过那个时候是为了国家(98年中国驻南联盟大使馆被炸),现在是为了自己的小家,其实也是我们共同的家。坦白的说,这几天雷声很大,不过雨点小,电狗们好像就是缩了壳的乌龟,不管你怎么摇,我就是不管。

Efa nihetsika nandritra ny andro vitsivitsy aho, ary nahatsapa fihetsehampo betsaka, tahaky ny tamin'ny fotoana naha-tany an-tsekoly ahy, fa tamin'izany fotoana izany, nihetsika ho fiarovana ny firenena (tamin'ny namelezana  baomba ny masoivohon'i Shina tao Belgrade, tamin'ny 1999). Ankehitriny, ho fiarovana ny toerana fonenako ahy manokana, ny fonenantsika. Raha ny tena marina, ohatra ny nahatsapa aho fa mafy noho ny orana ny feon'ny kotroka. Toy ny sokatra ilay orinasa mpamokatra herinaratra, tsy mahalala izay mitranga any ivelany.

冷静想一下,我们是不是打击面太宽了,我们喊反对暴力,是针对JC的,我们喊反对建变电站,是针对电力局的。我们喊要求迁移,是针对规划部门的,我们喊,还我绿地,是针对合生的。我们是一人对四人,处处都打,处处都打不痛,所以我建议我们选最容易入手的地方去打。

Aleo miverina mitony isika ary mieritreritra, tsy mieritreritra zavatra be loatra miaraka indray mandeha ve isika? Mivazavaza teny filamatra manohitra ny herisetra amin'ireo polisy, ary amin'ny fanamboarana ilay toby famokarana herinaratra any amin'ny mpitantana izay mikarakara ny herinaratra. Miady any amin'ny sampandraharahan'ny fanaovana drafitra isika isika ho an'ny famindràna ny toby famokarana herinaratra . Mangataka tany madio kokoa noho ny fitsinjovana ny tontolo iainana. Iray mifanandrina amin'ny efatra isika, miady amin'ny rehetra nefa tsy nanao na inona na inona azy ireo. Izay no mahatonga ahy handroso sosokevitra ny hifantohana amin'ny zavatra iray ihany aloha.

仔细考虑一下,我觉的最好是针对现在的开发商和物业,开发商和物业都是穿一条裤子的。我们在散步的同时,现在应该全面停交 物业管理费。这可是实实在在的真金白银啊,只要我们停交三个月,相信物业就会急了。他能怎么办??停水,我不相信他敢一次给几百户一起停水断电,如果真的 停了更好,几千人上街打水的场面,一定比我们散步更能让媒体注意。

Mihevitra aho fa afaka ataontska lasibatra ny tompony sy ny mpitantana ireo tranontsika ireo, birao mitovy ihany no ifampizaràn-dry zareo. Mandritra ny fotoana anaovantsika “diabe”, tokony atsahatra ihany koa ny fandoavantsika ny sandam-panofàna. Zavadehibe ny vola, raha tsy mandoa mandritra ny telo volana isika, hihetsika ny mpitantana avy amin'ny tompontrano. Ho afaka hanao inona ry zareo? Hanapaka ny rano? Tsy mino aho fa hanapaka rano ho an'ireo mpanofa an-jatony izy ireo, tsy tsara ny mahita eny anatin'ny fampahalalambaovao ny fampisehoan'ny olona maro milahatra eny an-dalana mba hahazo rano.