- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

HiperBarrio: Tantara Ao An-toerana, Mpihaino Manerantany

Sokajy: Hiper-barrio, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Marihana fa efa tamin'ny volana Aogositra taona 2007 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Araka ny efa nampanantenaina [1], ity no fizarana faharoa amin'ny podcast (fandraisam-peo) mizara roa momba an'i Medellín, Colombia sy ny fomba hanararaotan'ny tetikasa HiperBarrio ny tambajotra vaovaon'ny tranomboky [2] ao an-tanàna mba hampianarana ny tanora sarangan'ny mpiasa avy ao amin'ny havoana faritra avaratra mikasika ny fahaizan'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra.

Azo trohana amin'ny endrika MP3 [3]

Azo trohana amin'ny Endrika AAC [4]

Amin'ny fandraisam-peo androany, hiresaka amin'ireto olona ireto isika:

Ny hira ao ambadika dia ny “Revolve [11]” avy amin'ny hisboyelroy. Azo jerena ao amin'ny ccMixter amin'ny lisansa Creative Commons Noncommercial Sampling Plus. [12]

Azonao atao ny mamantatra bebe kokoa momba ny HiperBarrio [13] amin'ny fitsidihana ny sehatr'izy ireo ao amin'ny wiki Rising Voices [14]. Raha mahay ny teny Espaniola ianao, dia afaka mitsidika ireo bilaogy mandray anjara amin'ny atrikasa ao Santo Domingo [15] sy La Loma San Javier [16]. Alvaro Ramirez kosa manana famintinana mahafinaritra momba ireo lahatsoratra avy amin'ireo bilaogy mpandray anjara [17] tao amin'ny atrikasa Convergente, izay ao La Loma ihany koa.

Misoratana anarana amin'ny “podcast” Global Voices amin'ny fampiasana ny iray amin'ireto rohy  ireto:

RSS [18] | iTunes (podcast page) [19] | iTunes (direct subscription link) [20] | Odeo [21]