HiperBarrio: Tantara Ao An-toerana, Mpihaino Manerantany
(Marihana fa efa tamin'ny volana Aogositra taona 2007 ny lahatsoratra teny Anglisy)
Araka ny efa nampanantenaina, ity no fizarana faharoa amin'ny podcast (fandraisam-peo) mizara roa momba an'i Medellín, Colombia sy ny fomba hanararaotan'ny tetikasa HiperBarrio ny tambajotra vaovaon'ny tranomboky ao an-tanàna mba hampianarana ny tanora sarangan'ny mpiasa avy ao amin'ny havoana faritra avaratra mikasika ny fahaizan'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra.
Azo trohana amin'ny endrika MP3
Azo trohana amin'ny Endrika AAC
Amin'ny fandraisam-peo androany, hiresaka amin'ireto olona ireto isika:
- Hector Aristizabal, Talen'ny vondrona Teatra ImaginAction.
- Juliana Rincon, mpiara-manorina ny HiperBarrio.
- Jorge Montoya, mpiara-manorina ny HiperBarrio.
- Alvaro Ramirez, mpampianatra momba ny fifandraisana ara-tsosialy ao amin'ny Oniversiten'i Bergen sady mpiara-manorina ny HiperBarrio.
- Carlos Velasquez, mpanoratra ao amin'ny Global Voices, Colombia.
Ny hira ao ambadika dia ny “Revolve” avy amin'ny hisboyelroy. Azo jerena ao amin'ny ccMixter amin'ny lisansa Creative Commons Noncommercial Sampling Plus.
Azonao atao ny mamantatra bebe kokoa momba ny HiperBarrio amin'ny fitsidihana ny sehatr'izy ireo ao amin'ny wiki Rising Voices. Raha mahay ny teny Espaniola ianao, dia afaka mitsidika ireo bilaogy mandray anjara amin'ny atrikasa ao Santo Domingo sy La Loma San Javier. Alvaro Ramirez kosa manana famintinana mahafinaritra momba ireo lahatsoratra avy amin'ireo bilaogy mpandray anjara tao amin'ny atrikasa Convergente, izay ao La Loma ihany koa.
Misoratana anarana amin'ny “podcast” Global Voices amin'ny fampiasana ny iray amin'ireto rohy ireto:
RSS | iTunes (podcast page) | iTunes (direct subscription link) | Odeo
Podcast: Play in new window | Download
Subscribe: RSS
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra