- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hong Kong: Vonjeo Ny Honahonan'i Ha Pak Nai

Sokajy: Hong Kong (Shina), Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 15 Septambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Araka ny tatitra iray nivoaka tao amin'ny gazety mpivoaka isan'andro [ao Hong Kong] (niverina tao amin'ny [1] inmediahk.net [1]), nikasa ny hanangana tetikasa fanorenan-trano goavana tao amin'ny faritra mando voajanahary mahafinaritra indrindra antsoina hoe Ha Pak Na. (下 白泥,), ao Yuen Long ny iray amin'ireo mpandraharaha lehibe indrindra amin'ny fananganan-trano ao Hong Kong. Nahitana trano miisa 122 , trano fandraisam-bahiny miisa 57 misy rihana dimy farafahakeliny, kianja filalaovana golf ary mozea kely ho an'ny bibikely ny  tetikasa, ao anatin'ny faritra mando mirefy dimy tapitrisa metatra toradroa. Izany hoe nomena  ny orinasa tsy miankina amin'ny maha tetikasa fanorenana an-tanàndehibe azy ity faritra voajanahary ity.

Nandrisika ireo mpamaky azy mba hanao fanoherana an-tsoratra [2] ny fangatahana fahazoan-dàlana fanorenana ny bilaogy People's blog [3].  Ny 26 Septambra 2008 no fe-potoana farany. Nametraka sarintany antserasera nanazava ny tetikasa ihany koa ilay bilaogera  .

Ha Pak Nai development plan

Nanangana vondrona iray tao amin'ny Facebook i Chan Siu Ming izay nangataka hetsika hanoherana [4] ity tetikasa fanorenana  ity. Ireto misy fanehoan-kevitra vitsivitsy nalefan'ireo mpikambana tao amin'ny vondrona.

Judy To: pouvons-nous faire quelque chose comme manifester…faire signer des pétitions pour exprimer notre désacord ?????

Judy To: afaka manao zavatra tahaka ny fihetsiketsehana ve isika… manao fanangonan-tsonia mba hanehoana ny tsy fankatoavantsika?????

Felix Chan:

122個豪宅單位同56個低密度酒店單位,哥爾夫球場…起完呢堆野仲有q昆虫咩,個昆虫館用黎昆d人捉虫用啊…?

Trano fonenana tsara tarehy miisa 122 sy trano fandraisam-bahiny miisa 56 ary kianja filalaovana golf … Aorian'izany, hanaraka ve ny bibikely? Atao inona ny mozea ho an'ny bibikely? Mba hiarovana ireo bibikely maty noho ny fahadisoan'ireo namadika antsika?

Nametraka ny drafiny i Kan Cheng:

A Loy : nous pouvons écrire une lettre à EPD (Environment Protection Department [5]) à ce propos après le 26 septembre, mais il faut qu'elle soit pro, sur l'impact environnemental du golf. Je peux le faire plus tard, car l'EPD n'est peut-être même pas au courant de ce projet, et nous avons besoin de temps pour construire notre argumentaire.

Pour  Him : c'est pour cette raison que nous devons alerter la population, mais il faut que ce soit simple, car les gens à Hong Kong sont plutôt pour les développements immobiliers. Mais si nous pouvons toucher les défenseurs de l'environnement sur l'aspect écologique ou sur l'égalité des droits, ou autre chose, alors le gouvernement ne prendra peut-être pas le risque de soutenir le lotissement.

Pour Felix : c'est donnant-donnant -> c'est le “le bonus” [écologique] de leur projet. il faut leur opposer que ces espaces naturels ne peuvent pas être utilisés par les citoyens à cause de problèmes de transport, pour faire annuler la demande.

Ho an'i Loy: Afaka manoratra taratasy ho an'ny EPD (Departemanta Miaro Ny Tontolo Iainana) isika momba izany aorian ‘ny 26 Septambra, kanefa tsy maintsy miresaka momba ny olana ara-tontolo iainana eo amin'ny kianja filalaovana Golf izany. Afaka manao izany aho aty aoriana satria mety tsy mahafantatra akory ity tetikasa ity ny EPD, ary mila fotoana isika mba hanomanana ny tohan-kevitsika .

Ho an'i Him: Izany no antony tokony hanairantsika ny vahoaka, saingy tsy maintsy tsotra izany satria mankasitraka ny fampandrosoana amin'ny fanorenana ny olona ao Hong Kong. Fa raha azontsika atao ny mifandray amin'ireo mpiaro ny tontolo iainana amin'ny lafiny ekolojika na amin'ny fitovian-jo, na zavatra hafa, dia mety tsy hiroso amin'ny fanohanana ilay tetiskasa angamba ny governemanta.

Ho an'i Felix: misy ny ty sy nday  -> io no “bonus” [ekolojika] amin'ny tetikasany. Tsy maintsy lazaina fa tsy azon'ny olom-pirenena ampiasaina ireo faritra voajanahary ireo noho ny olana ara-pitaterana, mba hanafoanana ny fangatahana.

Nilaza i Loy Ho fa misy resaka politika ao ambadik'ity lazaina fa tetikasa “ekolojika” ity:

L'éco-architecture n'a pas encore cours à Hong Kong.  Les projets sont passés dans le passé uniquement parce que la connaissance scientifique de l'environnement n'est pas arrivée au niveau des lois foncières. Notre agence de l'environnement est un tout petit département dans le gouvernement, ils n'ont pas le pouvoir d'arrêter de promoteur, même s'il viole les réglementations sur l'environnement.  L'enteprise est assez riche pour mettre au point une bonne stratégie de relations publiques, ils peuvent acheter les opposants du district.  C'est comme ça que les projets sont approuvés la plupart du temps. Prenez le jardin aux papillons de Fung Yuen  ou le projet CLP LNG par exemple. Le projet de Fung Yuen est de façon tellement évidente un projet de lotissement derrière un bel écran prétexte. Tout ce que le promoteur a fait est de délimiter une zone tampon de 50 mètres autour du jardin aux papillons.

Voici à quoi ressemblent actuellement les zones naturelles humides de Ha Pak Nai (toutes les photos proviennent du groupe Facebook)

Mbola tsy nisy ny fanorenan-trano ara-ekolojika tao Hong Kong. Tany aloha tany no nisy ireo tetikasa satria hoe tsy niasa teo amin'ny sehatry ny lalàna momba ny tany ny fahalalana ara-tsiantifika momba ny tontolo iainana.  Sampana madinika tao amin'ny governemanta ny sampan-draharaha misahana ny tontolo iainana, tsy nanana fahefana hampiato ireo mpandraharaha izy, na dia mandika ny fitsipika momba ny tontolo iainana aza izany. Raha manankarena ny orinasa mba hampandrosoana ny paikady mahomby amin'ny fifandraisan'ny daholobe dia afaka mividy ireo mpanohitra ao amin'ny distrika izy ireo. Tahaka izany no fomba ankatoavana ny tetikasa matetka. Jereo ny zaridainan'ny lolo Fung Yuen na ny tetikasa CLP LNG ohatra. Mazava ho azy ny tetikasa Fung Yuen fa tetikasa fanorenan-trano ao ambadiky ny lainga tsara lahatra. Ny namaritra ny faritra tsy azo kasihina mirefy 50 metatra manodidina ny zaridaina ho an'ny lolo no nataon'ny mpandraharaha .

Tahaka izao no endrik'ilay faritra mando voajanahary ao Ha Pak Nai (avy amin'ny vondrona Facebook ny sary rehetra)

Na any ivelany aza no misy anao dia afaka mandefa taratasy any amin'ny sampan-draharahan'ny fampandrosoana an-tanàndehiben'i Hong Kong [2] ianao na maneho ny tsy fitovian-kevitrao ao amin'ny tranokalan'ny Komitin'ny Fizahan-tany ao Hong Kong [6] talohan'ny 26 Septambra 2008.