- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rakipeo: Vovonana Global Voices Fivoriana Faha 4 Fizarana Voalohany

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 16 Desambra 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Misy amin'ny endrika rakipeo ny Vovonana Global Voices 2005 [1] !! Navoaka tamin'ny endriny isan-karazany ny rakipeo tsirairay mba ahafahan'ny rindrambaikon'ny rakipeo rehetra mamaky izany.

Kitiho eto raha hihaino ny Fizarana Voalohany tamin'ny Fivoriana Faha 4: Ny hoavin'ny Fifanakalozan-kevitra Manerantany [2] (21 MB, 45 min)

Ahoana no ahafahan'ny Global Voices sy ireo mety ho mpiara-miombon'antoka matanjaka amin'ny sehatra matihanina sy ny asan'ny fampitam-baovaon'olom-pirenena manangana Fifanakalozan-kevitra Manerantany demaokratika sy ara-drariny kokoa – fifanakalozan-kevitra izay handraisan'ny olona rehetra fitenenana tsy amin'ny fomba azo antoka sy azo atao ihany fa ny hananany vintana ho re ihany koa? Hatraiza ny ilazana ny vahaolana ho ara-teknika (rindrambaiko, sns.) ary hatraiza izy no idiran'ny ezaky ny olombelona, fomba sy fandrindrana? Noho ny fangatahan'ny besinimaro,  nifantoka betsaka tamin'ny olan'ny fandikan-teny ny tapany faharoa tamin'ity fivoriana ity .

Notarihan'i Ethan Zuckerman sy Rebecca MacKinnon, niaraka tamin'ny fandraisana anjaran'i Ahmed (Arabia Saodita), Haitham Sabbah (Toniandahatsoratra Afovoany Atsinanana/Afrika Avaratra), Farid Pouya (Iran), Kevin Wen (Shina), Jordan Seidel (Polblog), Pat Hall (Blogamundo ), ary Chris Ahearn (Reuters)

FANAMARIHANA: Nisy olana madinidinika sasany nahatonga ny fandraketam-peo ho tapaka tamin'ny fotoana vitsivitsy. Efa nofafana ireo fizarana nisy izany. (Rakipeo natolotr'i Benjamen Walker [3].)

Araho eto ny bilaogy mivantana misy ny Fizarana Faha 4 [4] . (Natolotr'i Angelo Embuldeniya [5] sy SJ Klein [6].)