(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2010)
Nandefa fanamarihana iray mikasika ny lahatsoratr'i Mumtaz El Qott i Mo-ha-med, lahatsoratra nanambaràny fa irian'ireo Ejiptiana ny hahazo fahazoandalàna ho any Alemaina mba hitsidika ny filoha Moubarak hitondra firariantsoa mikasika ny fahasalamany taorian'ny nanaovana fandidiana azy.
Manoratra i Mo-ha-med fa:
Tonian-dahatsoratry ny gazetim-panjakana Al-Akhbar i Mumtaz El Qott. Nanana tombony kely ihany nanoloana an'i Al-Ahram ny Akhbar taloha – ny ankamaroan'ny mpandalina tao amin-dry zareo dia matetika nivoana lavitry ny taridalan'ny antoko – saingy ankehitriny lasa zary laharana faharoa hanaovana fampielezankevitra ho an'ny Fanjakana izy izao.
Mr El Qott – izay ny anarany dia midika hoe “Ny Tsara Indrindra” ary ny fanampin'anarany dia hoe “saka”, dia nanoratra lahatsoratra adaladala iray tsy mampino – mitondra ny lohateny hoe “Isaorana Andriamanitra fa salama tsara ianao!” Hitan'ny tontolon'ny Twitter ho tena mahatsikaiky io ka namoronana tenifototra vaovao #ExcellentNawNaw.

Ny Fampidirana tao amin'ny Wiki – Pikantsary an'i Mo-ha-med
Nisy namorona pejy wiki iray ihany koa ho an'Andriamatoa Ny Saka ary i Mo-ha-med nandefa pikantsary iray sao sanatria ka ho tsoahana ilay lahatsoratra ary nampifandraisiny tamin'ny vondrona Facebook izany!
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...