- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rakipeo: Vovonana Global Voices Fizarana Faharoa

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 16 Desambra 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Misy amin'ny endrika rakipeo ny Vovonana Global Voices 2005 [1] !! Navoaka tamin'ny endriny samihafa avokoa ny rakipeo tsirairay mba ahafahan'ny rindrambaikon'ny rakipeo rehetra mamaky izany.

Kitiho eto raha hihaino ny GV05 Fizarana Faha 2: Ny tsara indrindra ao anatin'ny tontolo roa (27MB, 57 min): [2] Noresahana betsaka ny adihevitra mikasika ny  “Famahanana bilaogy mifanandrina amin'ny asa fanaovan-gazety”. Mino izahay fa samy manana toerana izy ireo eto amin'izao tontolo izao, ary ho tsara kokoa ity tontolo ity raha manana azy roa ireo. Ao amin'ity fivoriana ity no ahitantsika ny mety hisian'ny fifandraisana eo amin'ireo mpanao gazety matihanina sy ireo olon-tsotra bilaogera. Ahoana ny fomba hifandraisan'ireo mpanao gazety sy ny bilaogera any amin'ny tontolo ivelan'i Etazonia sy i Eoropa? Ahoana no ahafahan'ny bilaogera ho lasa mpanao gazety ary mpanao gazety ho lasa bilaogera? Ahoana ny fomba ianaran'izy ireo miara-miasa sy hifanaja? Ahoana no ahafahantsika mampifandray ny lanjan'ny asa fanaovan-gazety matihanina amin'ny herin'ny fifanakalozan-kevitry ny olom-pirenena antserasera mba hanampiana ny mpikamban'ny taranak'olombelona rehetra mba fifankahazo bebe kokoa?

Notarihan'i Rebecca MacKinnon, niaraka tamin'ny fandraisan'anjaran'i Jeff Ooi (Malezia), Ndesanjo Macha (Tanzania), Dina Mehta (India), Georgia Popplewell (Trinité sy Tobago), David Sasaki (Toniandahatsoratra Amerika), Onnik Krikorian (Armenia), Ben Parmann (Eurasia Blog), Lisa Goldman (Isiraely), ary Dean Wright (Reuters)

FANAMARIHANA: Nisy olana madinidinika sasany nahatonga ny fandraketam-peo tapaka tamin'ny fotoana vitsivitsy. Efa nofafana ireo fizarana nisy izany. (Rakipeo natolotr'i Benjamen Walker [3].)

Araho eto ny bilaogy mivantana misy ny Fizarana Faha 2 [4]. (Natolotr'i Angelo Embuldeniya [5] sy SJ Klein [6].)