- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rakipeo: Vovonana Global Voices Fizarana Voalohany

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 16 Desambra 2005 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Misy amin'ny endrika rakipeo ny Vovonana Global Voices 2005 [1] !! Navoaka tamin'ny endriny samihafa avokoa ny rakipeo tsirairay mba ahafahan'ny rindrambaikon'ny rakipeo rehetra mamaky izany.

Kitiho eto raha hihaino ny GV05 Fizarana 1: Ny toerana misy ny Global Voices [2] . (23MB – 49min): fanadihadihana mikasika ny zavatra efa vita hatramin'ny taona 2005, ary ny drafitra ho an'ny tetikasa amin'ny hoavy. Nanasongadina ny maodelin'ny Global Voices izay efa notanterahantsika ihany koa izahay ary niezaka nanao tatitra momba izany mba ho hampiasain'ny hafa.

Notarihan'ny: Rebecca MacKinnon sy Ethan Zuckerman, mpiara-manorina ny Global Voices, niaraka tamin'ny fandraisana anjaran'ny Toniam-paritra Haitham Sabbah (Afovoany Atsinanana / Afrika Avaratra ), Neha Viswanathan (Azia Atsimo), David Sasaki (Amerika) ary Sokari Ekine (Afrika Atsimon'i Sahara) ary i  Boris Anthony, Arshitekta momba ny Tranonkala.

FANAMARIHANA: Nisy olana madinidinika sasany nahatonga ny fandraketam-peo tapaka tamin'ny fotoana vitsivitsy. Efa nofafana ireo fizarana nisy izany. (Rakipeo natolotr'i Benjamen Walker [3].)

Araho eto ny bilaogy mivantana misy ny Fizarana 1 [4] . (Natolotr'i Angelo Embuldeniya [5] sy SJ Klein [6].)