Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Syria: Ny Fitaintainan'ny Bilaogera

(Marihina fa tamin'ny 4 Jolay 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Namaritra ny fifikirany amin'ny famahanana bilaogy ilay bilaogera Syriana Hossam Akras, ary namoaka ny fomba fijeriny antserasera ato anatin'ity lahatsoratra ity.

Taorian'ny fitokana-monina nandritra ny volana maromaro tao ambadiky ny efijerin'ny solosaina, niato kely i Akras ary nitantara hoe:

اليوم ومنذ فترة طويلة على الأقل منذ ثلاثة شهور من التسمر خلف شاشة الكمبيوتر لفترات تتراوح بين 9 إلى 12 ساعة يومياق ررت كسر القيد والخروج في رحلة إلى الهواء وكنت قد أحببت منذ مدة أن أذهب إلى الجامع الأموي وسوق الحميدية يعني دمشق القديمةوفعلا بصحبة زوجتي والأولاد ذهبت في جولة جميلة جدا مابين الحارات التي تعبق برائحة الماضي وجمال الحاضر وتزاوج التراثمع الحداثة ضمن أ روقة معشوقتي دمشق القديمة جلسنا في أحد المقاهي القديمة وأكلنا خبز الصاج وطبعا زوجتي لم تفوت التبضع
كحال معظم الزوجات لقد مشينا كثيرا حتى تعبنا في الأسواق التي تجذب العيون من كثرة البضائع المختلفة الملونة .

Nanapa-kevitra ny hanapaka ny rojoko sy hiala ao an-trano aho androany, taorian'ny telo volana, nijanona nipetraka teo anoloan'ny solosaina mandritra ny adiny 9 ka hatramin'ny adiny 12 ora isan'andro farafahakeliny. Nikasa ny hitsidika ny moskea Omeyyades sy ny tsenan'i alHamidiya aho, izany hoe Damaskosy fahiny, nandritra ny fotoana fohy, niaraka tamin'ny vady aman-janako. Tena nahafinaritra ny dianay tany amin'ireo tanàna tranainy, izay sady ahatsiarovana ny fahiny ny fahitana ny hatsaran-tarehin'ny ankehitriny, ary nanambatra ny vakoka amin'ny tontolo maoderina. Nipetraka tao anaty fisotroana kafe efa tranainy izahay tao amin'iray amin'ireo làlan'i Damaskosy keliko, ary nihinana mofo matqouq. Mazava ho azy, tsy nanadino niantsena ny vadiko tahaka ny vehivavy rehetra . Nandeha lalan-davitra izahay, mandra-pahaleo anay tamin'ireo fivarotana miaraka amin'ireo entana mamirapiratra manintona ny maso.

 Hoy ilay bilaogera nanohy:
مضى زمن لم اترك العنان لنفسي للمشي الطويل فجهاز الكمبيوتر فعلا أتعبني ولكنه تعب أحبه, كثيرا ما كنتأقول لنفسي ما الداعي لكل ذلك ولكن فعلا لعالم التدوين ميزة و لذة لا يعرفها إلا من مارسها عند دخولي إلى البيت أول شيء فعلته
هو فنجان القهوة وتشغيل الكمبيوتر لأني فعلا اشتقت لأصدقائي ولمدونتي التي أهملتها بسبب عملي على المدونة الثانية ومحاولةتجهيزها ولكن في كل يوم أتصفح مدونة جديدة أرى فيها أشياء جديدة وأتراجع عن تصميم مدونتي لأحاول تغير التصميم لذلك قررت أن لا أتصفح أي مدونة حتى انتهي من التصميم وأقوم بالنشر مجددا الأفكار كثيرة والمواضيع أكثر والوقت يداهمني لقد قمت بتجهيز خمسين تدوينه على الأقل ولكني لم أعتمد حتى الآن على تصميم المدونة مازلت متردد وابحث عن الأجمل والمريح للقارئ وأعمل على التصميم الكلاسيكي لاني أفضله .واكبر غلطة قمت بارتكابها كانت أنني المصمم والمبرمج والباحث عن المواضيع مما شكل عبء كبير علي لا أتوقع البدء بالنشر قبل شهرين على الأقل

Efa ela aho no tsy nandeha an-tongotra toy izany. Tena nandreraka ahy ny solosaina, kanefa tena nahafinaritra ahy io harerahana io. Matetika aho no manontany tena momba ny anton'izany asa rehetra izany, fa raha ny zava-misy dia  manana ny mampiavaka azy manokana sy mahavariana ny tontolon'ny bilaogy, fa ireo mampiasa izany ihany no mahafantatra azy. Ny misotro kafe no zavatra voalohany ataoko rehefa tonga ao an-trano aho ary manokatra ny solosaiko satria tena te-hahita ireo namako sy ny bilaogiko aho ary tsy noraharahiako izy ireo noho ny asako any amin'ny bilaogy hafa, izay noforoniko. Manova ny endriky ny ahy aho isaky ny mahita bilaogy vaovao. Hatramin'izao, novaiko in-50 ny endriny ary mbola tsy mandraikitra ny safidiko aho. Izany no antony nanapahako hevitra ny tsy hijery bilaogy vaovao hafa raha tsy vitako ny famolavolana izany. Mbola misalasala aho, mikaroka izay tsara indrindra sy mahafa-po kokoa ho an'ny mpamaky, ary miasa amin'ny famolavolana klasika satria izay izao no tiako. Ny maha-mpamolavola, mpamorona programa sy mpikaroka lohahevitra ahy ho an'ity bilaogy vaovao ity no heveriko fa hadisoana lehibe indrindra nataoko. Nandodona ahy loatra izany ary nahatsapa aho fa tsy afaka mamoaka na inona na inona roa volana farafahakeliny.

 Tsy nolazain'ilay bilaogera tamintsika tato anatin'ity lahatsoratra ity ny votoatin'ny bilaogy iasany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.