- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ity Herinandro Ity Tao Amin'ny Bilaogy Palestiniana: Indray Andro Hono

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Palestina, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Little Yousuf and the pumpkins [1]

Sary: Raising Yousuf [2]

Little Yousuf (herintaona sy 8 volana) nilalao tao anaty tanim-boatavo [1] tao Maryland ary nanome sakafo ho an'ireo osy an-trano sasany [3] tany Etazonia. Andro vitsy taty aoriana, nifanintona, natahotra sy tsy nahita izay tokony atao izy.
Took her breath away [4]

Sary: Angela

Nijanona i CafeLulu mba hankafy ny fialan-tsasatra masoandro mody [5], izay azo antoka fa nilainy tao anatin'ny fiainan-tsarotra.
Eman and her husband in London [6]

Sary: AquaCool [7]

Eman nampahatsiahy  [6]ny diany vao haingana tany Londra, ny fihaonambe sy ireo bilaogera nihaona taminy [8].
Amal & Maryam at the KG [9]

Sary: Living in Gaza City [10]

Mankafy ny akanin-jaza sy garabola misy azy ireo ao Gaza [11] i Amal sy Maryam, vao ny alina talohan'ity [12] sary nalaina ity, tsy afaka natory izy ireo, tsy maintsy nanazava ny dikan'ny feo fipoahana [13] ren'izy ireo kosa ny renin'izy ireo antsoina hoe Imaan.
Flags [14]

Sary: Standing Witness [15]

Nosamborin'ny Israeliana ny naman'i Sahar [15] antsoina hoe Omar, roapolo taona izy, ary vao avy nahazo vatsim-pianarana ka faly satria afaka hivoaka ao amin'ity toerana ity izy. Taorian'ny zava-nitranga [14], mety tsy afaka mandeha na aiza na aiza izy ankehitriny.
Tsy mitsahatra ny manova tarehy aho  [16]ary tena mivaha [17], hoy ny namako Ohoud [18] nilaza fa nahita peratra teny an-danitra [19] saingy tsy mino azy aho! Indray andro izy nitaraina mikasika ireo fiara fitateram-bahoaka namboarina ho an'ny olona fohikely [20].

Manana feo tena mahafinaritra i Ohoud, mahafinaritra hatrany ny eo akaikiny sy mihaino azy mihira am-pahafinaretana [21]ho an'ny olony sy ny taniny, na milalao ny hira ankafiziny [22]. Nampiseho sary sasantsasany misy an'i “Israely” tamin'ireo mpianany Gaza kosa i Tower Keeper [23], ary nampiseho sarin'”Isiraely” vitsivitsy ho an'ny mpianany ao Gaza sy ny sarin'i Gaza vitsivitsy tamin'ny Israeliana izy, samy tsy nino ny roa tonta fa mijery any ambadiky ny fefy [24] izy ireo. Rehefa tany Palestina nandritra ny telo volana [25] i Bob dia nanao veloma [26] ny namany, efa nody izy izao.

Momba anay sisa tavela, tsy nanjary ny vokatra azonay tamin'ny famokarana oliva tao Tubas [27] satria nakatona  [28]ny hany toerana fisavàna navela hivarotanay oliva ho an'ny mpivarotra israelianina. Etsy andanin'izany, notononin'ny The Times [29] ho toy ny fanomezana krismasy ny menaka olivanay [30].

Oh, sao adinoko, mirary krismasy sambatra ho anao i PHALASTEEN [31]!