Hosoka Fromazy: Tranga Ara-barotra Malaza

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jolay taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mampahafantatra ny tenany tahaka ny vehivavy mpandraharaha Frantsay i Gilbertette Van Erpe. Nanao hosoka tany Belzika, Frantsa, Però izy ary ny olom-pirenena Shiliana no lasibatra tamin'ny herintaona. Nanoratra betsaka momba izany ireo bilaogera. Leon Pulido (ES) manazava ny fomba fiasan'ny “bizina” nataony:

The doubtful business consists in investing 250,000 Chilean pesos (arroud US $470) for a pack with an enzyme and instructions how to cultivate it. The goal was to produce a type of “cheese” that will be exported to France. The final product was to be used in the cosmetic industry among others. Until this point, it looks as though there is coherence between “investment and work” and “profit sought.”

Ny varotra mampiahiahy dia mikasika ny fampiasam-bola 250 000 pesos Shiliana (eo amin'ny 470 dolara Amerikana) ho an'ny fonosana iray ahitana anzima (enzyme) sy toro-lalana fambolena azy. Ny tanjona dia ny hamokatra karazana “fromazy” izay haondrana any Frantsa. Natao hampiasaina amin'ny indostrian'ny fikarakarana tarehy, ankoatra ny hafa ny vokatra farany. Mandra-pahatonga izany, sahala amin'ny hoe misy fifanarahana eo amin'ny “fampiasam-bola sy ny asa” ary ny “fitadiavana tombony”.

Mauricio Rebolledo (ES) manazava fa ilay rafitra piramidan'i Ponzi fanta-daza [ankandray koa, hoy isika Malagasy] no miasa amin'izany fomba fantatra mialoha ny olona.

A lot of those who were seduced by the “cheese fraud” are people that have an interest (legitimate) in investing money and obtaining a profit. They act with economic rationality. They don’t calculate the risk, because they were convinced by people they know (as the pyramid diagram). They were speaking about France, about exporting and that was enough.”

Maro amin'ireo izay voasariky ny “hosoka fromazy” no liana (ara-drariny) tamin'ny fampiasam-bola sy hahazo tombony. Miasa amin'ny lafiny ara-toekarena izy ireo. Tsy mikajy ny loza mety aterak'izany, satria resy lahatra avy amin'ny olona fantatr'izy ireo (tahaka ny sarin'ny pyramida). Miresaka momba an'i Frantsa, momba ny fanondranana izy ireo, ary ampy izany. “

Mbola mitantara hosoka hafa sy ny vola tafiditra amin'izany koa izy, ary mitentina 4 tapitrisa dolara Amerikana izany hosoka izany. Equinoxio (ES) nanoratra fa olona 5 512 no voafitaka ary anisan'izany ny Ben'ny tanànan'i Peumo (tanàna kely). Nanoratra bilaogy (ES) momba ity olana ity ny roa tamin'ireo lasibatra, Felipe sy Gerardo, saingy maro tamin'ireo fanehoan-kevitra manelingelina no nampiato ireo voakasika, nanakorontana ny fitomboan'ny vondrom-piarahamonina antserasera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.