- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miasa Manerana Izao Tontolo Izao Ny Global Voices – Ampio Izahay Hanohy Izany

Sokajy: Mediam-bahoaka

Ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices naka sary selfie tany amin'ny Vovonana GV 2017 tao Colombo, Sri Lanka. SARY avy amin'i Faaris Adam / Ieshan Wani.

Ry namana isany,

Nanontany ireo mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamonina ny antony nanosika azy ireo handray anjara ato amin'ny Global Voices izahay nandritra ny Vovonana [1] vao haingana tany Colombo, Sri Lanka. Anisan'ny soatoavina nolazaina tao ny fahazoan-dresaka, ny fahasamihafana, ny fandeferana, ny fahamendrehana, ny fanajana, ny fandraisana ny hafa ary ny fahalianana, fa ny tena nampiavaka anay dia ny fifangaroana na fisavoritahana (messiness).

Ny fisavoritahana hifampiraharaha fahasamihafana, hifandray manerana ny sisintanim-pirenena sy ireo sakana ara-kolontsaina sy ny fiteny, ny fisavoritahana amin'ny fahaiza-mamorona, ny fisavoritahana tonga miaraka amin'ny toe-javatra rehetra na ny fifandraisana mendrika hitolomana.

Mpikambana ato amin'ny Global Voices miisa 1.200 eo ho eo  no mipetraka sy miasa any amin'ny firenena miisa 170 manerana izao tontolo izao.

Ny fanomezana ho an'ny fikambananay no hanampy ity vondrom-piarahamonina manerantany ity hitatitra ireo tantara izay mamolavola fifandraisana lalina miampita kolontsaina, fiteny ary tsy fitovian-kevitra—asa maika noho ny fitadiavanay hahatakatra fomba fiaina mirindra ao anaty tontolo sarotra manerantany.

Koa satria nifarana ny taona 2017, miangavy anao mba hanolotra fanomezana [2] hanampiana anay hanohy ny asanay.

Misaotra anareo noho ny fanohananareo, ary maniry taona vaovao 2018 feno fifaliana sy fiadanana ho anareo  izahay!

Manomeza izao » [3]