(Marihana fa tamin'ny 16 Desambra 2005 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)
Misy amin'ny endrika rakipeo ny Vovonana Global Voices 2005 !! Navoaka tamin'ny endriny samihafa avokoa ny rakipeo tsirairay mba ahafahan'ny rindrambaikon'ny rakipeo rehetra mamaky izany.
Kitiho eto raha hihaino ny Fizarana Faha-2 amin'ny Fivoriana Faha 3: Inona no mahatonga ny tontolon'ny bilaogy hahomby? (19MB, 40 mins)
Nahoana ny firenena sasany no manana ny tontolon'ny bilaogy miraondraona ao an-toerana (Iran, Jordania, Kambodza sns) kanefa tsy manana izany ny hafa? Inona ny fepetra takiana ary inona no mety fanentanana avy amin'ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices mba hanampiana amin'ny fampiroboroboana sy ny fandrisihana ny famahanana bilaogy any amin'ireo vondrom-piarahamonina izay mety handray soa betsaka avy amin'ity fampitam-baovaon'ny olom-pirenena vaovao ity?
Notarihan'i Ethan Zuckerman, niaraka tamin'ny fandraisan'anjaran'i Roba Al Assi (Jordania), Ory Okolloh (Kenya), Neha Viswanathan (Toniandahatsoratra Global Voices Azia Atsimo), Sokari Ekine (Toniandahatsoratra Afrika Atsimon'i Sahara), Iria Puyosa (Venezoela), Bun ThaRum (Kambodza), Enda Nasution (Indonezia), Andy Young (SiberianLight), Hossein Derakhshan (Iran)
FANAMARIHANA: Nisy olana madinidinika sasany nahatonga ny fandraketam-peo tapaka tamin'ny fotoana vitsivitsy. Efa nofafana ireo fizarana nisy izany. (Rakipeo natolotr'i Benjamen Walker.)
Araho eto ny bilaogy mivantana amin'ny Fivoriana Faha 3 . ( Natolotr'i Angelo Embuldeniya sy SJ Klein.) (FANAMARIHANA: tohin'ny Fizarana Voalohany tamin'ny Fivoriana faha 3 ity fandraisam-peo ity).
Podcast: Play in new window | Download
Subscribe: RSS