- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ary Ireo Firenena Tsara Indrindra Erantany Dia ….

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Fanamarihana; tamin'ny 18 Novambra 2009 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nandefa mailaka tao amin'ny lisitry ny mailaka ao amin'ny Global Voices i Lova Rakotomala [1] avy eto Madagasikara ary nanasongadina fitsapan-kevitra omena ny mpamaky vaovao avy amin'ny The Economist mba hilazana ireo  “firenena tsara indrindra erantany” [2]. Nanolo-kevitra izy fa tokony hampiditra ireo firenena matetika voahilika ao anatin'ity karazana fampilaharana ity isika (bilaogera sy mpamaky lahatsoratra Global Voices). Raha efa nanapa-kevitra samirery sahady ny The Economist fa i Somalia no “firenena faran'izay ratsy indrindra eto an-tany” [3], dia toa mbola mamilivily ny resaka amin'izay firenena tokony hotendrena amin'ny anarana hoe “tsara indrindra” ry zareo.

Nihevitra izahay avy eo hoe: “Tsy mahafantatra ny zava-drehetra ny The Economist!” Vitsy amintsika no tia ny firenena mifototra amin'ny fahamarinan-toerana, ny harena, ny laza iraisam-pirenena na ny iray amin'ireo fandrefesana tahaka ny tian'ity famoahan-dahatsoratra nivoaka ity. Noho izany, ry mpamaky hajaina: miangavy anao mba hametraka eto ambany ny firenena izay eritreretinao fa tsara indrindra sy ny anton'ny safidinao. Hahazo kapila mangirana Putumayo mirakitra hira Reggae Afrikana [4] ireo rehetra manome ny antony tsara indrindra (araka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara). Ny tenako no handefa izany amin'ny mailaka!