Ary Ireo Firenena Tsara Indrindra Erantany Dia ….

(Fanamarihana; tamin'ny 18 Novambra 2009 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nandefa mailaka tao amin'ny lisitry ny mailaka ao amin'ny Global Voices i Lova Rakotomala avy eto Madagasikara ary nanasongadina fitsapan-kevitra omena ny mpamaky vaovao avy amin'ny The Economist mba hilazana ireo  “firenena tsara indrindra erantany”. Nanolo-kevitra izy fa tokony hampiditra ireo firenena matetika voahilika ao anatin'ity karazana fampilaharana ity isika (bilaogera sy mpamaky lahatsoratra Global Voices). Raha efa nanapa-kevitra samirery sahady ny The Economist fa i Somalia no “firenena faran'izay ratsy indrindra eto an-tany”, dia toa mbola mamilivily ny resaka amin'izay firenena tokony hotendrena amin'ny anarana hoe “tsara indrindra” ry zareo.

Nihevitra izahay avy eo hoe: “Tsy mahafantatra ny zava-drehetra ny The Economist!” Vitsy amintsika no tia ny firenena mifototra amin'ny fahamarinan-toerana, ny harena, ny laza iraisam-pirenena na ny iray amin'ireo fandrefesana tahaka ny tian'ity famoahan-dahatsoratra nivoaka ity. Noho izany, ry mpamaky hajaina: miangavy anao mba hametraka eto ambany ny firenena izay eritreretinao fa tsara indrindra sy ny anton'ny safidinao. Hahazo kapila mangirana Putumayo mirakitra hira Reggae Afrikana ireo rehetra manome ny antony tsara indrindra (araka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara). Ny tenako no handefa izany amin'ny mailaka!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.