Nolavin'ny [2] Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana Indoneziana (Mahkamah Konstitusional na MK) ny fangatahan'ny vondrona Islamika mpandala ny nentim-paharazana mba handràra ny firaisana ivelan'ny fanambadiana sy ny firaisana ara-nofo eo amin'ny samy lahy na samy vavy.
Mihevitra ireo mpikatroka fa mikendry hanenjika ny vondrom-piarahamonina lesbiana, pelaka, ireo manana taovam-pananahana roa samihafa sy ireo nanova taovam-pananahana (LGBT) ny tolo-kevitra [3] hanova ny andinin-dalàna ao amin'ny Fehezan-dalàna Famaizana Indoneziana (KUHP).
Napetraky [4]ny Fikambanan'ny Love Family (AILA) ny fitakiana izay nangataka ny fitsarana mba hanao fanadihadiana ara-pitsarana ny Andininy faha-284 (firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambadiana), ny Andininy faha-285 (fanolanana) ary ny andininy faha-292 (pedofilia).
Maniry ny vondrona mba ho raisin'ny lalàna ho fanolanana ny firaisana ara-nofon'ny samy lahy na samy vavy. Te hampiditra sazy ho an'ireo zaza tsy ampy taona manao firaisana ara-nofo mialoha ihany koa ny vondrona. Amin'ny ankapobeny, nangataka mba handràra ny firaisana ara-nofo rehetra ivelan'ny fanambadian'ny lahy sy vavy ny vondrona mpandala ny nentin-drazana . Tsy ankatoavina any Indonezia ny fanambadian'ny olona mitovy taovam-pananahana amin'izao fotoana izao.
Vato dimy manohitra ny efatra, nolavin’ ireo mpikambana ao amin'ny fitsarana momba ny lalàm-panorenana ny fitakiana satria nanolo-kevitra hamorona lalàna vaovao izay tsy fahefan'ny fitsarana ny AILA. Nilaza ny ankamaroany fa tokony halefa any amin'ny andrim-panjakana mpanao lalàna ny lohahevitra resahana ao anatin'ny fitakiana.
Indonezia, firenena be mponina Miozolomana indrindra, dia fanjakana lahika izay miaro ny fomba fijery tony fihevitra sy fihetsika amin'ny fandraisana sy fampiharana ny fampianarana silamo. Na dia izany aza, niha-nitombo ny Miozolomana mpandala ny nentin-drazana [5] tao anatin'ny taona vitsy. Nampitandrina ny tatitra [6]iray avy amin'ny Front Line Defenders fa tsy mitsahatra miatrika fanafihana ao amin'ny firenena ireo mpiaro ny zon'ny LGBT.
Ny AILA dia tarihan'i Bachtiar Nasir [7], mpitondra fivavahana hiringiriny izay nahomby tamin'ny fitarihana fanentanana ho fanesorana ny governoran'i Jakarta, Basuki Tjahja Purnama (Ahok) rehefa voampanga [8]ho tsy manaja ny silamo ity governora ity. Jakarta no renivohitr'i Indonezia.
Notsikerain'ireo mpikatroka sasany ho mampiely fankahalàna vondrona vitsy an'isa any Indonezia, tahaka ny vondrom-piarahamonina LGBT i Nasir. Tamin'ny herintaona, voasaringotra [9] tamin'ny raharaha fanadiovam-bola misy ifandraisany amin'ny milisy ISIS izy, saingy mbola tsy voamarin'ny polisy izany.
Nankatoa ny fanapahan-kevitry ny fitsarana tahaka ny fandresena ho an'ny zon'ny LGBT ireo mpampiasa Twitter sasany :
Thank you the five Supreme Court justices who thwarted another effort to persecute Indonesia's LGBT people. Our fight for equality is not over, but for today #lovewins [10]. pic.twitter.com/3r8vMUvMZz [11]
— Magdalene (@the_magdalene) December 14, 2017 [12]
Misaotra ireo dimy tao amin'ny Fitsarana Tampony izay nanakana ny ezaka hafa hanenjika ny vahoaka LGBT ao Indonezia. Mbola tsy vita ny ady ataontsika ho amin'ny fitovian-jpo, fa androany, nandresy ny fitiavana.
Lgbt is NOT a crime. Indonesia, you're doing amazing sweetie! ?
— ` (@njheronedale) December 14, 2017 [13]
Tsy heloka ny Lgbt. nanao zavatra mamy mahatalanjona ianao i Indonezia.
I don't support LGBT, but I don't think Indonesia should criminalize it. And I'm glad for your win. It's privacy matter, just like my opinion. Congrats!
— Tesa Fiona (@tesakaban) December 14, 2017 [14]
Tsy manohana ny LGBT aho, saingy tsy mihevitra aho fa tokony hanameloka izany i Indonezia. Faly amin'ny fandresenareo aho. Resaka fiainana manokana izany, tahaka ny hevitro. Arahabaina!
Other news, They finally says NO on criminalize lgbt and any sexual relationship outside marriage. 5 out of 9 says no. While it’s a relieve but still something worth of your attention to come
— FATM Indonesia (@FATMIndonesia) December 15, 2017 [15]
Vaovao hafa, nilaza ihany izy ireo nony farany hoe TSY manaiky ny fanamelohana ny lgbt sy ny fifandraisana ara-nofo rehetra ivelan'ny fanambadiana. 5 tamin'ireo sivy no nanao tsia. Na dia manamaivana aza izany, dia mbola zavatra mendrika ny hodinihanao amin'ny ho avy.
Congratulations Indonesia for their great move on decriminalisation LGBT and sex outside marriage! A huge steps for LGBT out there!
— TWT_LGBT | Name (@twt_LGBT) December 15, 2017 [16]
Arahabaina Indonezia noho ny fanapahan-kevitr'izy ireo lehibe tsy hanameloka ny LGBT sy ny firaisana ivelan'ny fanambadiana! Dingana lehibe ho an'ny LGBT rehetra!
Saingy ny sasany kosa mahita ny fanapahan-kevitry ny fitsarana tahaka ny fahotàna izay tsy hitarika afa-tsy voka-dratsy goavana:
Setelah keputusan MK melegalkan LGBT, Kumpul Kebo dan Zina siap siap Indonesia di timpa bencana apa yang di perbuat oleh oknum punguasa dzalim selamat bersuka cita menanti datang nya teguran sang Pencipta
— Vian's (@novian_sulaiman) December 15, 2017 [17]
Taorian'ny fanapahan-kevitry ny MK mba hanaiky ny LGBT, ny fiarahana mipetraka ivelan'ny fanambadiana, sy ny firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambadiana (zina), tokony hiomana amin'ny loza i Indonezia noho ireo mpitarikantsika lozabe. Manana fahafinaretana amin'ny famaizan'ny Tsitoha.
Ny 15 Desambra, namely tao Java Andrefana sy Afovoany ny horohorontany mahery vaika. Nanome tsiny ny fanapahan-kevitry ny fitsarana mankatoa ny LGBT ho antony nahatonga izany loza izany ny sasany tamin'ireo mpandala ny nentin-drazana. Haingana avy hatrany ireo mpampiasa Twitter sasany nanakiana ny kabarim-pankahalàna:
An earthquake just occurred in Java and Muslim conservatives blame it on the failed effort of criminalizing of LGBT people and those who wish to have sex out of marriage. They used the word “legalizing LGBT” to spread hate.
— DEA (@DeaSB) December 15, 2017 [18]
Nisy horohoron-tany nitranga tany Java ary nanome tsiny ireo Miozolomana mpandala ny nentin-drazana fa noho ny ezaka tsy nahomby amin'ny fanamelohana ny LGBT sy ireo maniry hanao firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambadiana no anton'ny loza. Nampiasa ny teny hoe “mankatoa ny LGBT” izy ireo hanelezana fankahalana.
apparently bigots went like “OMG GEMPA KAN KARENA LGBT” “GEMPA KARENA DWP”
no guys dont ur teachers told u that gempa is getaran seismik yang terjadi saat pergeseran lempeng bumi? but i guess they dont teach that kind of stuff in bigot school
— netsch? (@nesinox) December 15, 2017 [19]
Toa nilaza ireo mpanakiana fa ny “OMG LGBT no nahatonga ny horohorontany”, “DWP [iray amin'ireo fetiben'ny mozika sy dihy lehibe indrindra ao Indonezia] no nahatonga ny horohorontany”. Ry zalahy, tsy nilaza taminareo ve ny mpampianatra anareo fa hetsika hovitrovitry ny tany mitranga noho ny fikisahan'ny takelaky ny tany ny horohorontany? Mihevitra aho fa tsy mampianatra izany karazan-javatra izany tany amin'ny sekolin'ny tery saina izy ireo.
buat manusia2 eshol yg ngait2in kejadian alam kaya gempa barusan sama hal2 duniawi manusia kaya model keputusan MK sama LGBT dan DWP; ini list gempa indonesia diatas 6 SR selama setahun terakhir.
tolong klo bikin stupid statement itu otak bodohmu ditaker dulu.. pic.twitter.com/oYvoFqyZhD [20]
— Jonnesy (@jnessy_) December 15, 2017 [21]
Ho an'ireo adala izay mampifandray ny loza voajanahary amin'ny hetsika ataon'ny olombelona toy ny fanapaha-kevitry ny MK momba ny LGBT na DWP, ity ny lisitry ny horohorontany ambonin'ny 6 amin'ny maridrefy Richter izay nitranga tany Indonezia tamin'ny herintaona. Azafady, lanjalanjao ny fanambaranao feno hadalana.
Nampanantena ny AILA fa hanohy ny iraka ataony hanohana izay antsoiny hoe soatoavin'ny fianakaviana ao Indonezia. Fanamby ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBT sy ireo olom-pirenena voakasika izany mba ho mailo hatrany ary hanohitra ny fitomboan'ny fandalàna ny nentin-drazana ao amin'ny fanjakam-birao Indoneziana.