Shina: Kdo…Kdo…pfft

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Toa nahatonga ny ampahany lehibe ao Azia, indrindra ny any avaratra atsinanana hitolona mafy hampiverina ny aterineto amin'ny laoniny ny horohorontany nanakaiky an'i Taiwan halina ka nanimba hosina anaty rano miisa enina.

Toa mahavita zavatra tsaratsara kokoa ireo efa manana fitaovana fialàna amin'ny sivana aterineto (proxies) ka nametraka izany tao amin'ny ôrdinaterany, fa ho an'i Hong Kong sy Shina Tanibe, voafetra ho ao amin'ny tranonkala ao an-toerana ny fahafaha-miditra aterineto, fa tratra ihany koa izy ireo. Tsy ahitana filazana momba ny horohorontany na ny fahapatahan'ny herinaratra ny vavahadin-tranonkala aterineto lehibe indrindra ao Shina, ny bilaogin'ny Sina.com, ary mihena ny hafangainan'ny RSS amin'ny fotoanan'ny sakafo maraina. Voakasika ihany koa ny MSN sy Yahoo!, na dia miasa ara-dalàna aza ny QQ sy GTalk. Milaza ireo bilaogera sasany fa tsy mandeha ny antso an-tariby mankany amin'ireo kaontinanta hafa

Mampiseho ny lahatsoratra iray avy amin'ny bilaogera tsy miankina Wang Pei fa tsy ny olom-pirenena Shinoa ihany no tafahitsoka ao amin'ny faritra, fa toa tsy hita amin'ny sarintany ihany koa ireo tranonkala sy ny mpiserasera Shinoa:

热烈祝贺大中华局域网今天测试

Mankalaza am-pifaliana ny Fanandramana ny LAN ao Shina

今天英国、日本网友无法连通国内网站,新浪、网易统统上不去。MSN上也见不到几个人。不知道其他国家网友能否访问。
一个可能的解释,大中华局域网正在测试。中国正在变成一个大网吧。
什么是大中华局域网?

Ankehitriny, tsy manana fomba hifandraisana amin'ireo tranonkala Shinoa Tanibe ireo mpinamana antserasera Anglisy sy Japoney, ary matetika tsy azo i Sina sy Netease. Ao amin'ny MSN, olona vitsivitsy ihany no hitako. Tsy fantatro raha afaka mifandray ireo mpinamana antserasera any amin'ny firenena hafa.
Fanazavana iray azo atao dia ny andrana LAN Lehibe ao Shina. Atao andrana ankehitriny ny LAN. Ho lasa iray amin'ireo aterineto lehibe i Shina.

“Inona moa ny ‘Greater China LAN'?” hoy i Wang nanontany, miaraka amin'ny rohy mankany amin'ny lahatsoratr'ilay bilaogera namana He Caitou mikasika ny fiarahamiasa eo amin'ny China Netcom sy ny orinasa Amerikana Verisign izay nambara tamin'ny herinandro lasa teo, mba hametraka dindon-dohamilina ifotony mitodika (.cn) any Shina.

Narahina fanavaozam-baovao roa:

遇到一样情况的网友同样来自:美国,新西兰。

Samy mizaka ny olona ireo namana an-tserasera any Amerika sy New Zealand.

我拥有300多联系人的MSN上,现在上线的只有5个人,而平常至少是这个数字的10倍。

Manodidina ny telon-jato eo ny namako ao amin'ny MSN Messenger, saingy dimy monja no an-tserasera amin'izao fotoana izao, latsaky ny folo heny tsy toy ny mahazatra.

Avy ao Hexun, bilaogera zyx105106107, nanandrana namatantra ny antony mahatonga ny MSN tsy mety tafiditra ao amin'ny tolotra mpamatsy ny aterinetony, China Netcom, voalaza amin'ny lahatsoratra etsy ambony, izay nampifandraisany tamin'ny horohorontany izany.

今日凌晨起,部分国外网站无法正常访问,其中包括雅虎在内的多家国际门户网站,而“MSN”、“雅虎通”等即时通讯工具也无法正常登陆。经证实,台湾地震导致中国网通国际互联网出口出现故障。

Hatramin'ity maraina ity, tsy azo nidirana ireo tranonkala iraisam-pirenena sasany, anisan'izany ny tranokala ao an-toerana Yahoo! ny “MSN”, “Yahoo! Messenger”, ary tsy azo nidirana ihany koa ireo fitaovana fandefasan-kafatra an-tserasera hafa. Voamarina fa ny horohorontany tany Taiwan no nanimba ny seranan-tserasera iraisampirenen'i China Netcom.

网通公司答复:目前技术人员已经确认,由于台湾地震导致中国网通国际互联网出口出现故障,国内用户无法登陆部门国外网站。

Namaly i China Netcom: Efa nanamafy ny teknisiana fa noho ny horohorontany tany Taiwan, nikorontana ny seranan-tserasera iraisampirenen'i China Netcom, ka tsy afaka miditra amin'ireo tranonkala sasany any ivelany ny mpiserasera ao amin'ny firenena.

Mitanisa ny antsipirian'ireo hosina lehibe enina anaty rano tra-pahavoazana ihany koa i Zyx105106107:

1. 中美海缆于12月26日20:25 距离台湾枋山登陆站,9.7公里左右发生中断;

1. Vaky tamin'ny 8:25 ora hariva teo tamin'ny 26 Desambra ny Hosina Andranomasina mampifandray an'i Shina sy i Amerika, 9,7 kilaometratra miala ao Fangshan, .

2. 亚欧三号海缆于12月26日20:25 距离台湾枋山登陆站 9.7公里左右发生中断;

2. Vaky tamin'ny 8:25 ora hariva teo tamin'ny 26 Desambra ny Hosina Lehibe Andranomasina Azia-Eoropa #3, 9,7 kilaometatra miala ao amin'ny fiantsonana Fangshan.

3. 亚太二号海缆S7于12月27日00:06距离台湾淡水登陆站904公里左右发生中断;

3. Vaky tamin'ny 00:25 ora teo tamin'ny 27 Desambra ny Hosina Lehibe Andranomasina Azia-Pasifika#2, 904 kilaometatra miala ao amin'ny fiantsonana Tamshui.

4. 亚太二号海缆S3于12月27日02:00距离崇明登陆站2100公里左右(靠近台湾处)发生中断;

4. Simba tamin'ny 02:00 ora teo tamin'ny 27 Desambra ny Hosina Lehibe Andranomasina Azia-Pasifika#2 S3, 2100 kilaometatra miala ao amin'ny fiantsonana Chongming.

5. Flag光缆亚太系统于12月26日20:43在韩国到香港段中断;

5. Vaky tamin'ny 8:43 ora hariva teo tamin'ny 26 Desambra ny ampahany amin'ny hosina Flag, rafitra Azia-Pasifika, miainga avy ao  Korea mankany Hong Kong.

6. Flag光缆亚欧段于12月27日04:56在香港到上海段中断。

6. Simba tamin'ny 04:56 ora maraina teo tamin'ny 26 Desambra ny ampahany amin'ny hosina lehibe Flag, rafitra Azia-Eoropa, miainga avy ao Hong Kong mankany Shanghai.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.