Skypecast Libanona #1: Bilaogera Gustave Cordahi

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny 21 jona 2005)

Teo am-pandrenesana ny fandresena tamin'ny alalan'ny fifidianana azon'ny fiaraha-mientana anti-Syriana ao Libanona sy ny namonoan'ny sasany politisiana iray anti-Syriana, dia niresaka tamin'ny bilaogera roa monina ao Beirota izay mpanoratra ao amin'ny bilaogy malaza antsoina hoe Lebanese Political Journal (Diarim-politika Libaney) aho.

Ny antsafa nataoko voalohany dia nifanaovako tamin'i Gustave Cordahi, bilaogera sary mpanao gazety, izay mibilaogy amin'ny anarana “Cedar Guardian.” (fanamarihana ara-teknika: niantso azy avy amin'ny solosaina tamin'ny fampiasana Skypeout mankany amin'ny findainy aho, nandrakitra ny resaka tamin'ny alalan'ny Hotrecorder, ary avy eo namindra azy tao amin'ny Audacity hanapaka sy hanitsy ny haavom-peo talohan'ny namoahana azy nankao amin'ny lohamilinay.)

Niresaka ny antony namahanany bilaogy, ny hatsotran'ny tatitra ataon'ny fampitam-baovao iraisampirenena momba an'i Libanona i Cordahi, ary ny fanjavozavoan'ny politika libaney. Ny zavatra azoko indrindra: Tsy misy zavatra araka ny ahitana azy izany, samy manana ny fikafikany daholo ny rehetra, ary aza mandray fampahafantarana na inona na inona azonao avy any Libanona – na avy amin'ny bilaogy izany, fampitam-baovao mahazatra, politisiana, na iza na iza – araka ny atrehina mandra-pahitanao izay fikafika sy ny fitongilanan'ny loharanom-baovao niaviany.

Trohy eto ny antsafa nifanaovana tamin'i Cordahi (14 MB, 29min)

Ho avy manaraka: antsafa lalina sy mahatalanjona nifanaovana tamin'ny mpiara-mibilaogy amin'i Cordahi, “Lebanon Profile.” Miara-henoy izy. Samy manana ny fomba fijeriny sy ny zavatra jereny ry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.