- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Skypecast Libanona #2: Bilaogera “Lebanon.Profile”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libanona, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny 21 jona 2005)

Rehefa nifampiresaka tamin'ny Skype tamin'i Gustave avy ao amin'ny Diarim-Politika Libaney [1] aho dia niantso tamin'ny finday ao Beirota tamin'ny mpiaraka mibilaogy aminy izay fantatra amin'ny anaram-bilaogy hoe “Lebanon.Profile.” Tsy tian'i LP ny amoahana ny anarany. Araka ny nohazavainy nandritra ny resaka nifanaovanay, fa raha manondro ny tenany izy dia tsy afaka ny hiteny an-kahalalahana ka tsy hiteraka olana ho an'ny havany izany.

Nanana resaka mahafinaritra momba ny antony sy ny fomba ilazan'ny bilaogy libaney ireo zavatra tsy mba resahan'ny fampitam-baovao ao antoerana sy iraisampirenena izahay. Iray amin'ny nampalaza an'i LP ny fotoana niampangany ny Washington Post ho manao tatitra tsy marina sady mitongilana [2]. Henoy ny momba izany sy ny zavatra maro hafa:

Trohy eto ny antsafa niafanaovana tamin'i LP. [3] (16MB, 35mins)