Skypecast Libanona #2: Bilaogera “Lebanon.Profile”

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny 21 jona 2005)

Rehefa nifampiresaka tamin'ny Skype tamin'i Gustave avy ao amin'ny Diarim-Politika Libaney aho dia niantso tamin'ny finday ao Beirota tamin'ny mpiaraka mibilaogy aminy izay fantatra amin'ny anaram-bilaogy hoe “Lebanon.Profile.” Tsy tian'i LP ny amoahana ny anarany. Araka ny nohazavainy nandritra ny resaka nifanaovanay, fa raha manondro ny tenany izy dia tsy afaka ny hiteny an-kahalalahana ka tsy hiteraka olana ho an'ny havany izany.

Nanana resaka mahafinaritra momba ny antony sy ny fomba ilazan'ny bilaogy libaney ireo zavatra tsy mba resahan'ny fampitam-baovao ao antoerana sy iraisampirenena izahay. Iray amin'ny nampalaza an'i LP ny fotoana niampangany ny Washington Post ho manao tatitra tsy marina sady mitongilana. Henoy ny momba izany sy ny zavatra maro hafa:

Trohy eto ny antsafa niafanaovana tamin'i LP. (16MB, 35mins)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.