- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niteraka Faharavana Mahafaty tao Filipina ilay Rivo-doza Tropikaly Efa-Taona Taorian'ny Super Typhoon Haiyan

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Voina
[1]

Pikantsary avy amin'ny fitateram-baovao ao an-toerana momba ny rivodoza Kai-Tak (anarana ao an-toerana Urduja) avy amin'ny fahitalavitra PTV Philippines.

Olona 46 farafahakeliny no maty ary 28 no mbola tsy hita taorian'ny fandalovan'ilay rivo-doza tropikaly Kai-Tak (Urduja hoy ny anarany eo an-toerana) izay nikapoka indrindra ny faritra Visayas Atsinànana, faritra tena voakasik'ilay rivo-doza mahery super typhoon Haiyan [2] (Yolanda ny anarany eo an-toerana) efa-taona lasa izay, raha ny nolazain [3]‘ny manam-pahefana Filipiana.

Nosy telo lehibe no mandrafitra ny faritra faritra atsinanan'i Visayas [4] dia i Biliran, i Leyte ary i Samar, izay nosy any atsinanana indrindra amin'ireo vondronosin'i Visayas afovoany any Filipina. Manatrika ny Oseana Pasifika any atsinanana, toerana fidiran'ny rivo-doza any Filipina ilay faritra.

Maro amin'ireo olona maty na tsy hita — indrindra noho ny fihotsahan'ny tany, hoy ny manam-pahefana — nahitana maty 25 sy tsy hita 25 no tao amin'ny faritanin'i Biliran. Maherin'ny 44000 ny fianakaviana nafindra toerana ary mpandeha 16000 fara  fahakeliny no tsy tafavoaka tao amin'ireo faritra samihafa ao Filipina.

Nanimba tetezana dimy [5] ilay rivo-doza Kai-Tak ary nanapaka an'i Biliran amin'i Leyte sy ireo faritra sasany, mametraka fanamby amin'ny fitaterana fitaovana sy fitaovana mavesatra ao amin'ilay nosy izany.

Nanoratra [6] ho an'ny tranokalam-baovao mirazotra hafa miorina ao Visayas Atsinanana ilay mpikatroka Joshua Musico Sagdullas mba hanontany raha tsy nahazo lesona mihitsy ny governemanta nandritra ny fandravana nataon'ilay rivo-doza mahery Haiyan tamin'ny Novambra 2013:

What we expected was for the rain to pour and winds to howl, we thought work would be suspended for a day or two and some roads impassable due to slight debris pile up. We would never have thought the storm would cause evacuation-efforts spanning three regions or paralyzed the economy of close to three provinces in Eastern Visayas.

Nantenainay ny hirotsahan'ny orana ary hitsoka ny rivotra, nieritreritra izahay fa hitsahatra iray na roa andro ny asa ary tsy ho azo andehanana ny lalana sasany noho ny fiangon'ny atsanga. Tsy nieritreritra mihitsy izahay fa hiteraka ireo ezaka-hanesorana ny mponina amin'ny faritra telo nandalovan'ny rivo-doza na nampihitsoka ny toe-karenan'ny faritany telo tany Visayas Atsinanana ny rivodoza.

Nampiasa ny tenirohy #UrdujaPH [7] tao amin'ny tambajotra sosialy ny mpisera aterineto sy ny mpanao gazety mba hanomezana vaovao momba ilay tafiotra sy ny saripikan'ny fiantraikany. Nisy vondrona ihany koa nitodika tany amin'ireo tambajotra sosialy hanaovana fanampiana sy vonjy voina [8], indrindra ireo faritra tena voa toa an'i Biliran.

Ireo maty navelan'ny rivodoza Urduja tao Leyte.

Queue of stranded vehicles outside Matnog Port in Sorsogon reaches 4 km. (? MDRRMO Matnog) | #UrdujaPH [11] @InquirerSLB [12] pic.twitter.com/we0Tv6jH1H [13]

— Rey Anthony Ostria (@RAOstriaINQ) December 15, 2017 [14]

Filaharan'ny fiara eo ivelan'ny seranan'i Matnog ao Sorgoson mahatratra 4 km

Mahavaky fo

Nanontany ihany koa ireo mpisera aterineto raha vao maika nanamafy ny fiantraikan'ny Kai-Tak ny fisian'ny fitrandrahana solifara ao amin'ny faritra. Efa nampitandrina ny mety isian'ny fihotsahan'ny tany amin'ny faritr'i Biliran nialoha ny nipoiran'i Kai-Tak ny ao amin'ny Biraon'ny Fitrandrahana Harena Ankibon'ny Tany sy ny “Geosciences”.

Maro ny maty vokatr'io zavatra io. Misy fitrandrahana solifara ao Biliran.Manantena aho fa hahatsapa sy hamaha an'io olana io ny fiadidiam-paritany ao an-toerana. Potehin'izy ireo tsimoramora i Biliran.

Misy fitrandrahana solifara any an-tendrombohitr'i Biliran. Tao amin'ny faritanin'i Biliran 35 taona aho ary aty amin'ny faritaninay ihany no misy izany amin'izao fotoana izao. Mahavaky fo.

Na dia efa niala tao Filipina [20] aza ilay rivo-doza Kai-Tak izay nikisaka tany amin'ny faritra andrefan'i Filipina any an-dranomasina, dia mbola miomana amin'ny fidiran'ny fikorotanan'ny toetr'andro hafa [21] izay mety hirotsaka amin'ny alin'ny krisimasy ny firenena.