- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro I Sara Moreira

Sokajy: Timor Atsinanana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: tamin'ny 26 Jolay 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niresaka sy nandrakipeo ny antsafa niarahako tamin'ilay mpanoratra ato amin'ny Global Voices Sara Moreira [1] ao amin'ny Sekoly Iraisam-pirenena ho an'ny Fanavaozana Nomerika [2] ao Porto, Portiogaly aho. Nanatrika ity fandaharam-potoana ity i Sara rehefa nandany herinandro maromaro tao Dili, Timor Atsinanana, firenena iray izay itaterany manontolo ny tontolon'ny bilaogy ho an'ny Global Voices [3].

Mampianatra informatika sy ny taranja injeniera ho an'ny zatovovavy i Sara ao amin'ny Onivesiten'ny Timor Atsinanana.

Mpampianatra tao amin'ny Oniversiten'i Timor Atsinanana izy ary notoloran'ny Hewlett Packard fitaovana sy solosaina [4] mba hanampiana ny vehivavy Timorey hahalala bebe kokoa ny sehatry ny teknôlôjian'ny solosaina sy ny manodidina ny tranonkala.

Aza adinoina ny mamaky ireo lahatsoratra miisa telo [5] nosoratan'i Sara nandritra ny fankalazana ny fotoana fahasivy nahatongavan'ny Aterineto tao Timor Atsinanana.