Tao Amin'ny Reporters Sans Frontieres

RSF logo(Fanamarihana: tamin'ny 8 Aprily 2005 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nampanao fifaninanana mba hanomezam-boninahitra ny bilaogy miaro ny fahalalaham-pitenenana ny namantsika ao amin'ny Reporters Sans Frontieres. Nalefa omaly ireo tafakatra dingana famaranana tamin'ny fifaninanana, ary anisan'izany ny vondrom-piarahamonina Global Voices .

Samy voafidy tamin'ny sokajy “Azia” ny Screenshots an'i Jeff Ooi, sy ny NKZone an'i Rebecca Mackinnon. Ny Editor:Myself an'i Hoder dia iray tamin'ireo voafidy tamin'ny sokajy bilaogera Iraniana (goavana sy manan-karena). Ny mpiaradia Dan Gillmor sy Jay Rosen no roa voafidy tamin'ireo tao anatin'ny sokajy “Amerika” , ary ny yours truly no voafidy tamin'ny sokajy iraisam-pirenena, niaraka tamin'ireo namantsika tao amin'ny Komity Mpiaro Ny Bilaogera .

Raha mandrisika anao hifidy ireo bilaogera ankafizinao indrindra izahay ato amin'ny Global Voices, dia mandrisika anao ihany koa izahay mba hijery ireo bilaogy mahafinaritra asongadin'ny RSF. Ho ampafantarinay anao ny maro amin'ireo bilaogy mahaliana ireo mandra-pahatongan'ny fiafaran'ny fifidianana amin'ny 1 jona. Misaotra indrindra ny RSF sy Julien Pain tamin'ny fikarakarana ity fifaninanana ity sy ny fanasongadinana ireo bilaogy maro mahaliana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.