- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Japana: Tonga Any Tokyo Ny Torolalana Michelin

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Sakafo, Toekarena sy Fandraharahàna, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2007)

Tamin'ny 22 Novambra, namidy ilay Torolalana Michelin any Tokyo [1] noresahana be. Tsy afaky ny ho diso lalana mihitsy ianao any Japana miaraka amin'ny fitambaran'ny fifangaroana Frantsay sy zavatra mahaliana ara-tsakafo. Mazava ho azy, nandritra ireo andro talohany sy taorian'ny namoahana azy, nihazakazaka mihitsy aza ny media Japoney mba handrakotra ilay hetsika sy ilay torolalana tenany, ilay boky mpanoro lalana mankany amin'ny trano fisakafoanana sy hotely malaza indrindra, nozarain'ilay orinaa frantsay mpanamboatra kodiarana Michelin. Mazava ho azy, lohahevitra nalaza teny anivon'ireo Japoney blaogera ilay Torolalana tamin'ny herinandro lasa teo.

Michelin Guide Tokyo Poster [2]Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr pict_u_re [3] CC-BY-NC-SA [4]

Maneho ny heviny ny blaogera  gen [5]:

Namakimaky dikan'ilay Torolalana Michelin any Tokyo vao nivoaka vao haingana (ary ankehitriny efa lany) an'ny namako aho. Tsy mbola nandeha afa-tsy tamin'ny trano fisakafoanana vitsivitsy tao anatin'ilay torolalana aho (angamba 5-7 tamin'ireo kintana 1.) Tena mahavariana ny mieritreritra fa raha toa ka manana trano fisakafoanana 20.000 i Paris sy New York, ny faritra lehibe indrindra ao Tokyo kosa dia manana trano fisakafoanana mihoatra ny 160.000.

Misy resaka lava be mikasika ny tena mendrika hahazo ny kintana ary ny antony nahatonga ny hoe orinasa tsy japoney no namorona ny torolalana ara-tsakafo malaza indrindra ao Tokyo, sy ny fomba mahatonga ny ankamaroan'ireo trano fisakafoanana tsara indrindra ho fanasàna fotsiny ihany no hidirana aminy ka noho izany dia tsy voadinika, fa ho amin'ny andro manaraka izany.

Ao amin'ny tranonkalan'ny Michelin ny lisitra feno an'ireo trano fisakafoanana ao anatin'ilay Torolalana Michelin any Tokyo [6](anarana fotsiny – vidio ilay boky torolalana ho an'ny fanamarihana rehefa averiny avoaka printy izany.)

Etsy ankilany, nitarika adihevitra vistivitsy [7] ihany koa ilay torolalana, ahitana irep mpitsikera maneso momba ny fanombanana ny sakafo nentim-paharazana Japoney mifototra amin'ny tsiro sy fenitry ny Tandrefana. Toy ny asongadin'i ko-ji [8], mandrakotra faritra sasantsany ao Tokyo monja ihany ilay torolalana ary tsy mba natao nazava tsara ny masontsivana nanaovany tombana.

各方面でいろいろと書かれているようですがこの
ガイドを読む限りでは東京23区のうちのたった9区で
しかも老舗店の多い台東区、中野区あたりが全くなく
外国人の判断基準を知りたいように思いました。

Toa olona maro no efa nanoratra mikasika azy ity, fa raha mbola azoko lazaina tamin'ny famakiana ilay boky torolalana, toerana 9 amin'ny 23 ihany no voarakotra. Ho fanampin'izany, tsy misy na inona na inona avy any Taito sy Nakano mihitsy ao, faritra izay tena misy ireo trano fisakafoanana efa tranainy sy tsara orina.
Mahatonga ahy ho te hahafantatra hoe inona no mason-tsivana nanaovan'ireto vahiny ireto ny fanombanana.

Michelin [9]Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr eprouveze [10] CC-BY-NC-SA [4]

Somary maneso ny hetsika manontolo ny blaogera sasany. Maneho hevitra ity blaogera ity [11]:

何で、あんなに大騒ぎしてるんだろう。
はっきりいって踊らされすぎだと思う。

フランス人には日本料理の評価なんてできないと思う。
まぁ東京にあるフランス料理店の判断基準にはなるかもね。

Fa inona izao tabatabata be izao eh? Raha ny marina, mihevitra aho fa voatarik'ity be loatra ny olona. Tsy mihevitra aho hoe ny Frantsay no afaka hanombana ny sakafo Japoney.
Eny ary, heveriko fa afaka mametraka mason-tsivana ho an'ny [hatsaran'ny] trano fisakafoanana Frantsay ao Tokyo ry zareo.

Blaogera maro no toa tohina tamin'ny ”fieboebon” ilay Torolalana ary maneho ny hadisoam-panantenan-dry zareo mikasika ny fomba anehoana ny kolontsaina ara-tsakafo Japoney. Mnamafy ireo feo ireo ny saturday_interlude [12]:

高級な料亭や、豪華なフランス料理店じゃなくて、
路地裏にでもあるような、小さなお店でも
とっても美味しい料理と、女将さんの優しい微笑で、
三ツ星経験を楽しめるかもしれませんよ。

Na tsy ryotei  [trano fisakafoana Japoney tsara tarehy] na trano fisakafoanana Frantsay aza io, dia afaka mankafy traikefa kintana telo ao amin'ny trano fisakafoanana eny anelakelan-trano eny ianao, iray izay manome sakafo matsiro ary tsiky amim-pitiavana avy amin'ny okami [vehivavy tompon'ilay trano fisakafoanana].